airtel

kolontsaina

04-août-2022

kolontsaina

TENY GASY Ataovy lalàna velona ny fanamelohana ho faty

Sample post image

«Heloka sy habibiana tsy misy fanamelohana ho faty» hoy ny «Teny Gasy» tamin’ny 10 jona 2022.

04-août-2022

Tsy ampy roa volana aty aoriana akory dia izao manakoako izao ny laza ratsin’ilay famonoana olona 32 (ankizy ny 15 amin’ireo) tany Anosikely-Ambolotarakely-Ankazobe.

Tany lavitra andriana tsy azo veroka amin’ny sarintany izany fa, na izany aza, mbola Madagasikara ihany. Ny olona kosa, izay nahavanona izao loza izao, tsy mendrika intsony mbola ho antsoina hoe olona.

Indro averiko eto, asiam-panovana kely fotsiny, ny Teny Gasy voalaza etsy ambony. Henoko mantsy hoe nidina tany an-toerana ny mpikambana amin’ny vaomiera miaro ny zon’olombelona (CINDH). «Zon’olombelona» inona moa izany ilay arovana eto ? Ny zon’ireo olona 32 ireo ve sa ny ain’ireo meloka nahavanon-doza ? Raha ho hita, ka tratra, izany ratsy izany, ho atao inona ? Mbola ho omena mpisolo-vava, mbola ho tsaraina, dia angamba higadra hoe mandra-pahafatiny.

Fanontaniana tsotra : mbola mendrika ho velona ve izay nahavanona izao loza tsy roa aman-tany izao ? Tsy ny vaomiera miaro ny zon’olombelona indray no hitsangana hiaro azy ireny raha hiharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany izy ireny ? Tsy ny vaomiera miaro ny zon’olombelona maneran-tany no miady mafy hanafoanana amin’ny firenen-drehetra ny fanamelohana ho faty ?

Nofoanan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 2015 ny fanamelohana ho faty. Hisy Filan-kevitry ny Ministra sahy hamoaka Didy Hitsivolana hamerina ho lalàna velona ny fanamelohana ho faty ve ? Hisy depiote sahy hijoro hitaky ny famerenana ny fanamelohana ho faty ve ?

Fiarovana ny zon’olombelona hono no nanafoanana ny fanamelohana ho faty. Fa tsy zon’olombelona ny ain’ny olona jinjain’ny dahalo ?

Izay firenena, na vondrom-pirenena, mpamatsy vola ny Fitondrana no nampanafoana ny fanamelohana ho faty. Rahoviana no mba hisy Mpitondra eto ka sahy hanazava amin’ireny Vahiny ireny, fa misy karazan’olona tsy mendrika intsony ho velona noho ny habibiana vitany amin’ny fiaraha-monina, ka sady mandany vola ny miompy azy any am-ponja, no mbola ho loza mihantona raha tafaporitsaka tany noho ny kolikoly sy ny tsikombakomba iaraha mahalala eto Madagasikara.

VANF

 

Dans la même rubrique