airtel

kolontsaina

20-avril-2023

kolontsaina

TENY GASY CENI : «Fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko»

Sample post image

Nofaranana vonjimaika tamin’ny 11 aprily 2023, teny anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana isaky ny distrika (CED), manerana an’i Madagasikara, ireo lisitry ny ho mpifidy (...)

20-avril-2023

Hiparitaka eny amin’ny Fokontany manerana ny nosy ireo lisitra nofaranana vonjimaika ireo, hahafahan’ny olompirenena manao fanamarinana na fitsipahana na ihany koa fangatahana fisoratana anarana. Manana roapolo (20) andro ny mpifidy amin’izany (...) Hatramin’ny 31 mey 2023 ny fahafahana misoratra anarana eny anivon’ny Fokontany».

Inona moa ilay hoe «fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko nampiasaina» ? Raha mitsangana amin’ny maty ireo Ntaolo, tsy misy azony izany «teny gasy» notefitefena izany. Tsetsatsetra tena tsy aritra iny, fa dia mahagaga, ary manorisory mihitsy, satria misy diso indray ny lisitra novakiana teny amin’ny Fokontany, io 18 aprily 2023 io.

Raha voahaja ny tondro andro hoe 1 oktobra 2022 ka hatramin’ny 31 janoary 2023, dia intelo misesy, fara fahakeliny, ary efa nankaleo mihitsy ny taratasy nivezivezy, no nameno ny taratasy fanisana isan-tokantrano. Natao tamin’ny sora-baventy mba hialana amin’ny mety ho faharatsian’ny soratra tsy voakaly. Tamin’ny 16 desambra 2022 no tafaverina ny soson’ny «Takelaka Fanisana ny Mpifidy» nalefan’ny CENI. Tsy nisy diso na kely aza. Ka taiza, sy oviana, raha izany no nidiran’ny indro kely indray ?

Impiry hivezivezy eny amin’ny Fokontany moa izany ? Raha ny eto an-dRenivohitra aza, mila mamono andro vao mahita hirika handehanana any, asa any an-tany lavitra Andriana rehetra any, ahoana no hanamarinan’ny olona ny lisitra ao anatin’ny roapolo andro.

Taona 2023, teloambienimpolo taona aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, mbola mahazaka maniraka ny antontan-taratasy sesehena angatahana ombieny ombieny eto Madagasikara : sora-piankohonana, fanisam-bahoaka, lisitry ny mpifidy, maha-mpandova, etsetra, etsetra. Tamin’ny 1996 aho no nandefa voalohany ny lahatsoratro tamin’ny Internet : fitoambiroapolo taona lasa. Ankehitriny eto Madagasikara, na dia mamatsy vola tsy tapaka ny hoe fanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana aza ny «mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena», mbola an-kibon’ny omby ny informatika-biometrika-nomerika.

Taratasy alaina eny amin’ny Fokontany, mbola sora-tanana amin’ny ravin-taratasy mampalahelo : aiza no tsy hisy indro kely lalandava ny «fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko».

VANF


 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap
15-avril-2024

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

Card image cap