airtel

kolontsaina

19-juil-2022

kolontsaina

TENY GASY Fa ny fanantenana, efa mihena, mitsilopy

Sample post image

Ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika volana jolay 2022 dia tsy mifankaiza amin’izay nolazain’ny Country Manager Banky Iraisampirenena tamin’ny oktobra 2016 :

19-juil-2022

hoe olom-bitsy mpampiasa Jirama ve no ndeha hifantohan’ny saina. Nanafintohina io tenin’ny Solontenan’ny Banque mondiale io tamin’izany. Ka, asa raha hanafintohina ihany koa ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika.

Ireo 15% isan-jato tondroi-molotra ankehitriny (tarehi-marika efa tamin’ny 2015 ny hoe 15% antanandehibe no mahazo herinaratra) angamba efa azo antoka fa tsy ho voambaka intsony ka mbola hifidy ilay «olom-baovao» efa tontan’ny fitondrana. 2009-2013, 2019-2022 : maninona sy nahoana no tsy notanterahina hatramin’izay ireo mbola atao fampanantenana ankatoky ny fifidianana 2023 ?

Isan’ny vinavina, vao tamin’ny 2019, dia hoe hampitombo 500.000 ny isan’ny mpamandrika Jirama mba hisintonana hidina ny vidin’ny herinaratra. Tsy izany sahady indray izany no fampanantenana vaovao fa «kit solaire» ho an’ny any ambanivohitra : tsy ho ory hava-manana ny antanandehibe saingy mampatsiahy fotsiny ny «taxe et redevances» naloa isam-bolana aman-taona kanefa iharan’ny «délestage» isan’andro.

Manana solitany antsoina hoe «huile lourde» i Madagasikara. Efa hatramin’ny aprily 2004 no vita sonia teo amin’ny OMNIS sy ny «Madagascar Oil» ny fifanarahana hitiliana ary hitrandrahana izany. Nisy Filan-kevitry ny Ministra tamin’ny aprily 2015 nankatoa ny «Development Mining Title». Tamin’ny septambra 2016 indray dia nandramana namokarana herinaratra teny amin’ny Jirama Ambohimanambola ny ampahany tamin’ireo 157.000 barika voatrandraka. Anefa, noho «ny antony samy hafa sy samihafa» dia mbola haingon-trano 18 taona aty aorian’ny fanaovan-tsonia voalohany.

Efa nasiam-panamboarana ve ny Lalam-pirenena RN1 bis tokony hivoahan’izany vokatra izany ? Sa efa manana sambo ve isika afaka mitatitra azy manodidina ny Nosy ? Sao ho lasa Bemolanga bis, izay efa raikitra hiran-dry Mahaleo : nantenaina efapolo taona lasa saingy tsy hita mandrak’androany.

Tsara ho fantatra hatrany, fa na antsoina hoe «non conventionnel» (tsy mahazatra/tsy mahavantana/vitsy mpampiasa) aza ny solitany ao Tsimiroro dia fantatra fa misy 1.700.000.000 (fitonjato sy arivo tapitrisa) barika ao ambanin’ny velarantany 6670 km2 misy ilay «Bloc 3104 Tsimiroro». Zava-misy efa voaporofo hanamaivana ny olan’ny Jirama aloha io noho izay fanambarana etsy sy eroa.

VANF


 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap