airtel

kolontsaina

28-juil-2022

kolontsaina

TENY GASY Fahantrana tsy hita afenina : dia ny tena no menatra

Sample post image

Izay Vahiny sendra mandalo eto amintsika dia mitantara mikasika an’i Madagasikara any ambadika rehetra any. Ary satria Vazaha izy dia mora mahazo vahana amin’ny haino-aman-jery any Andafy any.

28-juil-2022

Tsy hoe mandainga akory izy na mamorona fa mankaleo, rehefa ela ny ela, satria dia tsy misy hafa ankoatra ny fahantrana no ambetin-dresaka’ireo, mitantara any rehetra any. Nosy be goavana ity, saingy rehefa tsy gidro na tsingy no resahina dia mahantra mivarotra taim-by sy korontan-kazo anaty fotaka ; zaza mitady fivelomana amin’ny fitsindrohana fako ; taxi 2CV na 4L elan’ny taona ; saretin’olona mialoha ny fiara 403 niniany novidiana, hampisehoana fa tranom-bakoka Madagasikara.

Misy fahantrana eto, ary igagana mihitsy raha oharina amin’ny harena voajanahary, fa tsy fahantrana ihany no eto Madagasikara. Manankarena gidro tsy manampaharoa, baobab tsy hita na aiza na aiza, sokatra zanatany, tsingy mampitolagaga, fa tsy izany ihany koa anefa no eto Madagasikara.

Raha izay fijery ampahany izay no zarazaraina any ivelany any, indrindra fa amin’ny olona tsy mahalala velively an’i Madagasikara, dia Androrosy roapolo tapitrisa no eto, tsy mahavelon-janaka raha tsy misy Vazaha malala-tanana manolotra vary iray lovia maimaim-poana any an-tsekoly : «Mahaontsa re ry izao tontolo izao, fa angony avokoa ny akanjo mafana ho an’ny Malagasy, tongava maro manatevin-daharana ny ONG marobe izay manao ny asan’ny Ministeran’ny Fahasalamana, Fampianarana, Fahadiovana, Asa sosialy, Asa-tanana sy Fambolena».

Mitaky seraseram-pirenena i Madagasikara mba ho tentenina izay madilana. Fa tsy serasera fe serasera fotsiny ihany koa, fa seraseran’ny bainga voavadika sy ny asa vita. Efa ratsy laza tanteraka mihitsy i Madagasikara sy ny Malagasy any ivelany any. Ny tsiky feno eso atsy La Réunion sy Maurice toa midika hoe mpanondrana rongony avokoa ny lehilahy Gasy ary makorelina avokoa ny vehivavy Gasy. Ny mpanao politika dia mpanera bois de rose sy volamena ary «10%» ny antsasany, ny hafa sisa mpanongam-panjakana matihanina.

Ô ry Prezidà marobe eto Madagasikara : Prezidan’ny Repoblika, Prezidan’ny Antenimiera, Prezidan’ny Loholona, Prezidan’ny Fiangonana Iombonana, Prezidan’ny Tafika, Prezidan’ny Mpandraharaha, Prezidan’ny Hazo, Prezidan’ny Vatosoa sy Volamena, Prezidan’ny Solitany, Prezidan’ny Vanille, Prezidan’ny Vary, Prezidan’ny Fananan-tany, etsetra etsetra, fa nataonareo inona loatra ity Nosy anivon’ny riaka !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap