airtel

kolontsaina

28-déc-2022

kolontsaina

TENY GASY Fanontaniana momba an’Andriamisara

Sample post image

Sombiny amin’ny lahatsoratra nataon-dRtoa Suzy Ramamonjisoa (napetraka tamin’ny fikambanana «Tantara» ny 11 febroary 1975 hariva) ka azo vakiana ao amin’ny Bulletin de l’Académie Malgache, t.53/1-2, 1975 (1977), p.67-76

28-déc-2022

Raha dinihina ny fahalalana momba ny maha-Andriamisara an’Andriamisara dia tsy tena mazava, noho ny fitenenana, ny fomba amam-panao, ary ny hevitra momba azy mifanipaka sy mifanohitra be ihany.

Olona niseho marina teo amin’ny tantara Andriamisara ka nandeha ho azy fa tsy maintsy hampiasa ny tantarany araka ny tombontsoa ilainy ny sokajin’olona samihafa, satria tsy hoe nisy marina teo amin’ny tantara fotsiny Andriamisara fa mbola lasa foto-pinoana ka mety ho ampiasaina ho tsangan-kevitra koa.

Toy ny fandinihina ny «phénomènes idéologiques» rehetra no tokony handinihana azy.

Ny familivialiana ny tantara dia zavatra mandeha ho azy eo amin’ny lovan-tsofina indrindra indrindra. Samy namilivily ny tantara araka ny filany azy ny olombelona raha mbola tsy manana fitaovana siantifika handinihana azy izy.

Ho an’ny mpanjaka any Boina, izay te hilaza fa mpanjaka ara-dalàna eo amin’ny fandovam-panjakana ny sampana Boina, ny didy iray izay mipetraka ao Majunga dia «baban’Andriandahifotsy» izay nanjaka tany Menabe dia mandeha ho azy : na tsy te hamilivily ny tantara aza izy ireo, dia mifanandrify amin’ny faniriany hiseho ho mpifehy ara-dalàna ny vahoaka any Boina ny filazana fa mpandova ara-dalàna an’ireo mpanjaka any Menabe izy.

Raha ny vahoaka tsotra any Boina izay milaza fa ny asan’Andriamisara no tokony ho jerena alohan’ny firazanany dia hita ny faniriana hampiseho fa tsy firazanana no tokony jerena aloha fa ny asa vita eo amin’ny fitondram-panjakana. Ka moramora ery ny manadino ny maha-taranaka mpanjaka azy fa ny tadidy bebe kokoa dia ny maha-moasy azy.

Raha azo heverina ho tetika politika nentin’Andriandahifotsy hanamafy orina ny fahefany eo amin’ny vahoaka Sakalava ihany ny fampiasana an’Andriamisara (dady sy tromba) dia azo lazaina fa tetika tena nandaitra tokoa izy io, indrindra taty aoriana nony nampiasain’Andriamandisoarivo sy ny taranany.

Nony lasa nianavaratra Andriamisara dia lasa foto-pinoana fa tsy ara-tantara intsony : eo ireo filazana fa «olo boaka anabo» na «boaka andranomasi» izy.

Ny familiviliana momba ny fiaviany dia tena hita mibaribary eo amin’ny filazana fa vahiny makoa i Andriamisara. Io filazana io dia tena manafintohina mafy ny fianakaviana taranak’Andriamisara any Menabe.

Kanefa mandeha ho azy ho an’ny vahoaka Sakalava any Boina izay mihevitra ny makoa ho vahiny afaka mandray anjara eo amin’ny fitondrana, fa ny fahaizany no tokoy asehony. Ny fanirian’ny olona hitovy saranga eo amin’ny fitondram-panjakana dia miseho amin’izany fandavana ny maha-taranaka mpanjaka an’Andriamisara. Ny familivialiana misy momba ny fiavian’Andriamisara dia mety ho valiny omen’ny vahoaka eo amin’ny lafiny finoana anoherana ny tsy fitoviana hita-maso eo amin’ny fitondram-bahoaka. Manamaivana ny tsy fitovian-tsaranga hita maso ny finoana fa Andriamisara, izay heverina ho zanahary (ny mpanjaka rehefa tapitra aina ihany no «roso zanahary»), dia mety ho olon-tsotra, makoa.

VANF


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap