fa ny tena fahalovana dia ny nanaovana tsinontsinona ny «Fitaizana Olom-pirenena» efa ho 50 taona izao. Samy resy lahatra fa ny famerenana izany Fitaizana izany ifotony, amin’ny zaza madinika isam-pianakaviana sy any an-tsekoly, no hany hivoahan’i Madagasikara amin’izao hady mandifotr’olona izao.
Mizara Loha-hevitra maro izany «Fitaizana Olom-pirenena» izany. #Tany #Teny #Tantara. Fomba. Faritra. Madagasikara. Olona. Nta-Olo. Asa. Fambolena. Fiompiana. Sakafo. Varotra. Indostria. Tany. Tontolo. Biby. Zavaboary. Fiaraha-monina. Didy aman-dalàna.
Boky maro sahaza ny isan-taonam-pampianarana vao mahenika izany. Ny androany, taridresaka tokana no arosoko ho ohatra. Ny «Fiandrianampirenena» : Madagasikara imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, Madagasikara imason’ny vahoaka Malagasy, «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara» arak’ilay hiran’i Ludger Andrianjaka. Faharoa azo heverina manaraka : «Fiaraha-Monina» : ny fahafahanao tsy hanelingelina ny fahafahan’ny hafa, ny fahafahana miteraka andraikitra, ny fahafahana ananana adidy.
Raha izaho tokoa no mampiana-janaka, tahaka izao ohatra no tiako ho saininy, heveriny, ho fakafakainy, hiainany, hampitainy.
Lohahevitra Ampianarina : FIANDRIANAMPIRENENA
Toko 1 : Firenena sy Olom-pirenena (#Tany_Teny_Tantara)
Toko 2 : Vanim-potoana Fiverenan’ny Fahaleovantena (23 jona 1956 : Loi-Cadre, 14 oktobra 1958 : Repoblika, 26 jona 1960 : Fahaleovantena)
Toko 3 : Vanim-potoana Fanoherana ny Fanjanahantany (Menalamba, VVS, MDRM, Dien Bien Phu, Bandung,...)
Toko 4 : Madagasikara talohan’ny Fanjanahantany (23 oktobra 1817, 30 septambra 1895, 6 aogositra 1896)
VANF
Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.
Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990
Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.
Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.