Taty aoriandriana, ny «kiravato manga» lasa tsy fidiny an’ny HVM. Ankehitriny, ny loko «orange» akanjon-dry zareo manohana ity fitondrana ity. Sefo Fokontany aza, salorana «orange» sady vatsiana bisikileta, anaty taom-pifidianana.
Ny Fokontany ve no tana-tohatra ifoton’ny Fitsinjaram-pahefana sa vanindrantsana farany indrindra amin’ny Foibe, toa felatana-mangaika ny fahefana isan-tokony sy isam-paritra ? Raha ny eto Antananarivo-Renivohitra ohatra, dia ambetin-teny ny hoe «Fokontany 192», roambisivifoloambizato. Saingy anaty vahohon’ny Ministeran’ny Ati-Tany ireny Fokontany ireny, raha teo aloha ambany fiahian’ny Tanànan’Antananarivo. Jereo fotsiny ny «Taratasy fanamarinam-ponenana»...
Mianotra indroa vao mandroso indray mandeha ny fisintahan’ny Fanjakana foibe, tsy hanalokaloka ary tsy hitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny antsoina hoe «Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana». Antananarivo-Renivohitra, ohatra ihany, dia mody noravahana «Sata manokana», saingy sata haingon-trano, poakaty. Angady nomondroina, ketsa tsy mahafehy tena : vola tsy am-pelatanana, tompony mangataka atiny na dia amin’ny fananana eo an-tokotaniny aza : Rovan’Antananarivo, kianjan’i Mahamasina, lalana mamakivaky ny tanàna...
Tsetsatsetra tsy aritra : Ny sekoly sy tranom-panjakana ity, voalokoloko IEM. Handany vola ohatrinona indray hamerina ireny amin’ny laoniny : tsy tokony savihin’itsy na iroa mantsy ireny satria an’ny Res-Poblika.
VANF
Maro amin’ireo manori-tokantrano amin’ny alalan’ny fanambadiana ankehitriny
Nihaona tamin'ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga ireo ekipa mandrafitra