Tantara vita ho azy ny Haintenin’ny Ntaolo sy ireo anarana voatefi-mirindra, teny tokana mahalaza betsaka. Matetika moa dia ny dingan’ny fifankatiavana no ambetin-dresaka ka dia voahosotra anarana mahatsikaiky aloha ny lahy (Randriatongatsinafarana, Randriamatoamatetipihavitoatompony) raha voadokadoka kosa ny vavy (Rasoahagohago, Rabarimasomanafatra).
Fony mbola mifampizaha, Randriambola sy Randriambarahina ny lahy, Ramielovola na Ramielovoahangy ny vavy. Tany mbola mifandefitra, volon-kotona Andriamatoa raha ravim-bero Ramatoa.
Anarana zary sata, sa toetra mby anarana : Ramisimanana, Ramanantiana, Bevolamikorintsana ? Anarana tokana ihany koa dia efa mahafehy ny tantara : Rafaraelanandeferana ny vavy, rehefa Randriamatoahavanaihavanolona ny lahy sy ny fitiavany toa tsimpontsimponina.
Mandalo anefa ny andro, nifandimby hatrany ny volana, nivalona tokoa ny taona : Randriamatoamatetipihavitoatompony somary nakoraina taloha nanjary Andriamatoamahalampihavitoahena ankehitriny.
Mety Rasoamahalefitra, saingy hatramin’ny oviana, Ramatoasarotrafoitoinivary nangolaina hoe Rasoahanitriniala fahiny ? Rehefa ho voatonona ho Rasoafitohatsarantarehy, zana-Rafotsibevalohery ny vavy, efa ho avy ny filana kisa : Rakototaninavona ny lahy, Raharompitososona ny vavy.
Hianao Rasoahagohago
Izaho Ramitandrohenatra
Hianao Ratsimahasoronafo
Izaho Ratsimahazokitay
Hianao Ratsimahatsakarano
Izaho Ratsimahatotovary
Mpivady tsy mifankatia e, ho mpianadahy mifanaja.
VANF
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana