Olona any an-toerana, faritr’i Moramanga, hono no nitolo-batana rehefa avy nahavanon-doza.
Efa ampolo taona maro no misy mitrandraka, sady tsy am-piheverana no tsy ara-dalàna, ny ala maro manerana an’i Madagasikara. Fanapotehana ny ala, izay miendrika famadihan-tanindrazana. Heloka bevava hampitondra faisana ny taranaka fara aman-dimby.
Martioran’ny fiarovana ny ala aloha Itompokolahy. Saingy, hampiova inona loatra moa izany, manoloana ny zava-misy tsy takona afenina : ny kabary no betsaka fa ny tevy ala, ny tavy, ny fanaovana saribô, mitohy isan’andro mandavantaona. Efa nisy mpamotika ny ala voasazy henjana ve ? Efa nisy mpanakarama ireny mpanapaka hazo ireny ve voaheloka mafy ?
Raha ny habibiana namonoana an’Itompokolahy, raha ny heloka amin’ny zava-boahary, raha ny endrika famadihan-tanindrazana amin’izao haha-tany karakaina ny Nosy manontolo izao, iza no sahy hangataka fanamelohana ho faty ?
Nofoanan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 2015 ny fanamelohana ho faty. Hisy Filan-kevitry ny Ministra sahy hamoaka Didy Hitsivolana hamerina ho lalàna velona ny fanamelohana ho faty ve ? Hisy depiote sahy hijoro hitaky ny famerenana ny fanamelohana ho faty ve ?
Fiarovana ny zon’olombelona hono no nanafoanana ny fanamelohana ho faty. Fa tsy zon’olombelona ny ain’Itompokolahy ? Tsy zon’olombelona ny soa sesehena azo amin’ny ala sy ny zava-boahary ? Tsy zon’olombelona ny taranaka fara aman-dimby tsy hanana hanin-ko hanina satria lasa tany efitra i Madagasikara ?
Izay firenena, na vondrom-pirenena, mpamatsy vola ny Fitondrana no nampanafoana ny fanamelohana ho faty. Rahoviana no mba hisy Mpitondra eto ka sahy hanazava amin’ireny Vahiny ireny, fa misy karazan’olona tsy mendrika intsony ho velona noho ny habibiana vitany amin’ny fiaraha-monina, ka sady mandany vola ny miompy azy any am-ponja, no mbola ho loza mihantona noho ny kolikoly sy ny tsikombakomba iaraha mahalala eto Madagasikara.
VANF
Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,