Niisa 79 ry zareo nivondrona tao anatin’io «Conseil des Sages» io fa ny vy nahitana dia ny CNEF mpandala ny federalisma notarihin’i Tabera Randriamanantsoa, dia Andriamanjato Richard, dia Razanamasy Guy. Ny mpandrindra : Rasamoelina Vaohavy sy Ruphin Georges. Ny Vaomiera Lalampanorenena notarihin’i Rakotozafindrabe Naivo Marius, ny Vaomiera «Découpage territorial» notarihin’i Razanabahiny Marojama, ary nahitana ihany koa an’i Ramakavelo Désiré, Ackram Mohajy, Boba, Fiandraza, Bearivo Bruno.
Nisy andininy 126 io volavolan-dalam-panorenena io ary narahina «Schéma type de Loi Fondamentale», nanana andininy 77 : ity farany moa dia natao ho an’ireo «Fanjakana mizaka tena» miisa fito : Antsiranana, Atsimo Atsinanana, Fianarantsoa, Imerina, Mahajanga, Toamasina, Toliara.
Mandravona sy manambatra ireo ny nantsoina hoe «État de l’Union», afaka antsoina hoe «Fanjakana Vovonana» satria tsy nahitako dika-teny malagasy moa ilay volavolan-dalam-panorenena.
Ny Fanjakana Vovonana dia entin’ny Filohan’ny Repoblika otronin’ny Filoha lefitra izay miaraka fidiana aminy hiasa mandritra ny dimy taona. Tsy misy ny Praiministra fa tonga dia Ministra avy hatrany (tahaka ny any Amerika sy izay efa nisy tamin’ny Lalam-panorenena malagasy 1959). Na ny Filoha na ny Filoha lefitra dia samy tsy maintsy teraka Malagasy («nationalité malagasy d’origine») ary feno 35 taona.
Governora, fidiana mivantana, no mitantana ny Fanjakana mizaka tena. Alohan’ny handraisany andraikitra dia manao izao fianianana izao izy : «Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary, eto anatrehan’ny Firenena manontolo, eto anatrehan’ny vahoakan’ny Fanjakana mizaka tena, dia mianiana aho fa hitandrina toy ny anakandriamaso ny maha-tokana ny firenena malagasy (...) Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina ny Lalampanorenana ary ny Lalàna Fototra mifehy ny Fanjakana mizaka tena».
Zavatra sasantsasany manintona amin’ity volavolan-dalam-panorenana ity : ny «parcs nationaux» sy ny «réserves naturelles» dia voahosotra ho «fananana iraisam-pirenena» ; Antananarivo no Renivohitra : tsy misy didy aman-dalàn’ny Fanjakana mizaka tena Imerina ka tokony hanohintohina ny Sata manokan’ny Renivohitra ; misy «fonds de solidarité nationale», kitapom-bolan’ny Firaisankina, sahanin’ny Fanjakana Vovonana, hampitovitoviana tantana ny Fanjakana mizaka tena.
Ny Lalàn’ny Fanjakana Vovonana no mamaritra ny «Nationalité, Citoyenneté, Passeport», «Immigration, Émigration, Extradition», «Trafics aériens & maritimes», «Code de la famille, régime matrimonial, successions & libéralités». Mety hifaninana ny fahefa-manaon’ny Fanjakana Vovonana sy ny Fanjakana mizaka tena mikasika ny : «régimes matrimoniaux, successions, libéralités», «état-civil», «immigration», «énergie nucléaire».
Tsy nisy tohiny mivantana moa ity volavolandalam-panorenana ity na dia misy ampahany noraisina tao amin’ny Lalam-panorenana 1998 nametraka ny «Fanjakana mizaka tena» aza. Izay niafara tamin’ny «fahirano» 2002.
VANF
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny