tognonina hoe Raonimalazan’Andriamanompolanitra», mianadahy avy. Ao Manolotrony ao, misy hazo amontano telo, mandindona ny vala famoriana ny vahoaka, tsy noho ny savika ihany.
Samy Amontana telo, ao Ambositra, ry Rapelanoro sy Razafimahaleo ary Andrianarivo : fianakaviana telo nanome olo-malaza maromaro fantatr’anarana manerana ny Nosy.
Nodimandry Tantely Andrianarivo, Praiministra farany fony Didier Ratsiraka no Filohan’ny Repoblika. Niaraha-mahalala moa ny zavatra nitranga tamin’ireny raharaha 2002 ireny, niafara tamin’ny fanenjehana sy fanagadrana ny mpiara-miasa sasany tamin’i «Amiraly» rehefa raikitra ny fahirano an’Antananarivo : Tantely Andrianarivo anefa, raha ny fitadidiko, tsy hoe tany Ambodiatafana, fa dia teto Antananarivo.
Tantara mbola ho soratana amim-po tony sady tsy miangatra moa ireny. Fa misy kosa ratra am-po sy fery an-tsaina, takaitra sarotra vao voafafan’ny fampihavanam-pirenena. Tsy tamin’iny krizy politika iray iny ihany, fa ny nialoha sy ny nanaraka rehetra.
Nasain’i Tantely Andrianarivo hiara-dia taminy aho, tamin’ny 2011, raha nidina tany Vohipeno izy hampahalalana ny lafiny antemoro amin’ny firazanany. Nisy ny fomban-tany natao tamin’izany izay tsy anjarako no «mitsilo» azy etoana. Tsetsatsetra tsy aritra fotsiny fa, tamin’io andro io, raha nanontany ireo Anteony aho mikasika ny Antehiroka aty Imerina dia tsotra sady tsy nihambahamba ny valin-teny : «Ny Antehiroka anie ka Anteony».
Tahaka ireo hafa miandrandra Fanjakana, tonga nangataka tso-drano tany Vohipeno Tantely Andrianarivo, no sady namelo-maso ny tetiarana. Raha natolotry ny filoha mpanorina Didier Ratsiraka ho lovain’i Tantely Andrianarivo ny antoko Arema, mety ho nanao ahoana ny Tantara. Saingy tsy izany moa no nitranga. Izy Tantely Andrianarivo rahateo koa, raha izay tsapako tamin’ny fifanakalozan-kevitra, tsy toetran’olona hioty manta.
Mandifotra ny nenina raha ny tahaka izay no asesy. Olona nianatra ary nanam-pahaizana no tsy nahantra fahalalana ankapobe, raha Tantely Andrianarivo. Tsy ampy anefa izany nahatongavany teo amin’ny lakabe ho fanompoana an’i Madagasikara. Mbola hisy ny fitanisan’ny mahalala kokoa ny zava-bitany, fa ny asany hanaraka azy. Mandria am-piadanana, Tompokolahy.
VANF
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity