Nilaza imasom-bahoaka ihany koa izy fa ho arodany ny "colisée" mitonantonana ao amin'ny Rovan'Antananarivo.
Misaotra azy, farafaharatsiny, mijoro mampahafantatra izay tena fisainany, fa tsy mandambolambo ny atsy sy aroa mba tsy hanafintohina na iza na iza.
Ny #Tany_Teny_Tantara voizin'ny lahatsoratro eto, efa hatramin'ny 1992, tsy afaka ny hanaiky ny fanaovana z'inona ny Vatomasina naha Mahamasina an'i Mahamasina :
Haitraitran'Ambohijanahary
Ka mitomany hibaby an'Iarivo
Angolangolan'i Mahamasina
Ka mitomany hiampofo an'Ambohijanahary
Ny #Tany_Teny_Tantara efa nitsipaka ankitsirano ihany koa io hoe "kianja" naorina ao Anatirova io, izay tsy ho verezina anarana indray koa satria Rovan'Antananarivo hiringirininy io ara-tantara :
Hajahajao Antananarivo
Ary omeo voninahitra Ambohimanga
Ny Rovan'Ambohimanga sy ny Rovan'Antananarivo dia nataon'ireo Mpanjaka rehetra nandimby an'Andrianampoinimerina kambam-pitononana. Tsy mandeha ila, na Ambohimanga, na Antananarivo. Ary izay no nahatonga ny fizarana ny Masina : rehefa niamboho Andrianampoinimerina (1792-1810), Ranavalona I (1828-1861) ary Ranavalona II (1868-1883), dia nafenina teny amin'ny Rovan'Ambohimanga ; rehefa niamboho Radama I (1810-1828) sy Rasoherina (1863-1868) dia nafenina tao amin'ny Rovan'Antananarivo, ao amin’ireo izay ho antsoina aty aoriana hoe «Fasan’ny Lahy» sy «Fasan’ny Vavy».
Izay no fandaharana raha mbola tsy very fiandrianam-pirenena isika. Radama II "nanjaka tapany" (1862-1863) moa nafenina tao amin'ny Rovan'Ilafy. Rehefa tonga ny Vazaha dia "nanoratra tantara" hafa nanimba sy nanimbazimba : noloarana ny Fasana tamin'ny Rovan'Ambohimanga sy ny Rovan'Antananarivo ; natao "famadihana" ireo Masina (io teny io no nalain'ny Misionera ho azy) teny Ambohimanga ka nafindra ho ao Antananarivo ; nalefa sesintany Ranavalona III (1883-1897) ; nataon'ny Vazaha fampirantiana taolam-biby (rajako, dinosaure) tao amin'ny Lapa Manjakamiadana.
Ny soratra mitoetra : izay mamiko sy izay halako, voatanisa ombieny ombieny amin'ny lahatsoratra an'arivony. Tsy mbola kandidà aho dia efa mazava ny hevitro, ny fisainako, ny fanahy maha-olona ahy. Amin'ireo izay efa nitondra, amin'ireo mbola mikasa hitondra, inona avy no fantatra tahaka izany ka efa nijoroany ?
Inona no hevitr'ireo raha ny #Tany_Teny_Tantara ? Inona no soatoavina arovany raha ireo fanontaniana manitikitika ny fiandrianam-pirenena : ny fidiran'ny Vahiny eto Madagasikara, ny fahatongavan'ny Silamo vaovao hafa fihetsika tsy tahaka ireo Silamo niaraha-nonina hatrizay, ny didy aman-dalàna mametra ny zom-pirenana Malagasy tadiavina ho amboamboarina ?
Isika raha hivahiny any aman'olona, sarotra vao mahazo taratasy : nahoana izao tontolo izao no hidi-potsiny eto Madagasikara ? Misy zom-pirenena moraina angaha any an-kafa any no ny an'ny Malagasy no hanaovan-tetika ho varo-boba ? Sanatria sanatria anie isika ho tompon-trano mihono eto an-tanindrazantsika. Sanatria sanatria anie ka ho soloina olona sy firenena hafa mihitsy isika taranaky ny Ntaolo.
Fanontaniana heverin’ny sasany fa manafintohina, anefa mihoatra lavitra ny fiandrianam-pirenena satria mihatra aman'aina mihitsy ireo. Filoham-pirenena sahy hiaro ny Malagasy eto amin'ny Tanindrazany, sahy hijoro hanoina ireo fanontaniana velona ahiahy ireo : izay ilay Olona tadiavina, izay mbola tsy taratro na amin'iza na amin'iza aloha hatreto.
VANF
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny