airtel

kolontsaina

06-avril-2023

kolontsaina

TENY GASY Lava dinika malain-kanan-dratsy

Sample post image

Miverina isan-taona, isaky ny «taom-baovao» moa ity adi-hevitra ity ka nofongariko indray ny iray tamin’ireo lahatsoratra efa nataoko taloha :

06-avril-2023

Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana (05 martsa 2019). Telo taona lasa dia nentiko tao ny fanazavana nomen’ny Taranaka Ambohidrabiby sy ny Trano Koltoraly, dia ny hoe amin’ny vanimpotoana iakaran’ny vokatra, fararano iotazana, mahavoky vahoaka, no mifampiarahaba falifaly, satria ny lohataona no vanimpotoana indray kosa hiasana ny tanimbary ary hamafazana.

Dia mbola nitohy tahaka izao ilay lahatsoratra : «Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301) : «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (…) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) : «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa.

Marihina fa «Ny Gazety Malagasy» dia nitatitra ny «fifaliana noho ny fararano», izay natao tao Anatirova tamin’ny alahady 23 adalo (15 mey) 1887.

Ka izay indrindra no efa nampametra-panontaniana, efa-taona lasa : «Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty, azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika. Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy : raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?»

Ankehitriny, efa-taona aty aoriana, toa mainka te hirona amin’izany tokoa aho : maninona moa raha misy taom-baovao Fararano sy taom-baovao Lohataona, satria angaha moa tsy maintsy ho roambinifolo volana ny taona iray ? Raha ny jeografia aloha, dia mifanalavitra ihany (1500 km) ny toetr’andro any Antseranana sy any Anosy. Mitovy ve ny fotoam-pambolena amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy sa voatery manaraka ny toetr’andro isaky ny faritra avy ? Rehefa inona no «asara» aty, rehefa inona no «asotry» any an-kafa ? Atsimo, andrefana, avaratra, atsinanana, afovoan-tany : tsy misy idiran’ny finoana na sikidy, fa jeografia sy toetr’andro, rivotra sy masoandro.

Raha ny fomba napetraky ny Mpanjaka nifandimby mantsy mbola hampisaraka : «na lava resaka handany andro, na lava dinika malain-kanan-dratsy». Raha ny eto Imerina fotsiny, fomba hafa tamin’ny andron’ny Vazimba (asara, asotry, faosa) izay nialoha ny Zafiraminia (alakaosy, alahamady, adimizana). Mbola fomba hafa indray koa nanomboka tamin-dRalambo izay «nanara-bitana» ka namindra ny taom-baovao ho amin’ny alahamady raha alakaosy izany talohany. Ireo Mpanjakavavy roa farany ihany koa, Ranavalona II sy Ranavalona III, dia namindra ny Fandroana tamin’ny fitsingerenenan’ny andro nahaterahany araka ny kalendrie gregoriana.

Ny 22 novambra, fitsingerenan’ny andro nahaterahan-dRazafindrahety ary fitsingerenan’ny andro nisehoan’ izy Ranavalona III no sady nataony Fandroana : 16 alahasaty 1885, 27 alahasaty 1886, 8 asombola 1887. Ny voalohan’ny alahamady dia nifindrafindra koa teo amin’ny kalendrie gregoriana : 7 mey 1826, 12 jolay 1885, 1 janoary 1887. Ary ny taom-baovao (1 janoary) gregoriana dia tsy nifanojo tamin’ny kalendrie ara-bolana zafiraminia : Alakamisy 16 asombola 1885 ; Zoma 27 asombola 1886 ; Asabotsy 8 adimizana 1887 ; Alahady 19 adimizana 1888. Ireo datin’andro rehetra ireo dia hita avokoa ao amin’ny «Ny Gazety Malagasy» : «notontaina tamy ny Presin’ny Mpanjaka ny Madagaskara ao Avara-dRova (sy Nanjakana)».

Izay no manahirana mindrana ny voambolan’ny kalendrie iray anefa ho ampisaina amin’ny fanisana iray hafa tanteraka : ny «taom-bolana» 354 andro mantsy tsy mifanitsy amin’ny «taona masoandro» 365 andro.

Ny anaram-bolana betsimisaraka sy merina (hatramin’ny Zafiraminia) dia efa nisy nanohatra : atsiha (alahamady), volasira (adaoro), fosa (adizaoza), maka (asorotany), tsiahia (alahasaty), lakasay (asombola), sakady (adimizana), volambita (alakarabo), saramantsina (alakaosy), saramanitra (adijady), vahavaratra (adalo), asotry (alohotsy/volampadina).

Ny alahamady sy alakaosy dia anarana nentin’ny Indonesiana-Zafiraminia taty aoriana. Talohan’izany, kalendrie sanskrity araka ny fiheverana azy ve ny fanisan-taona tamin’ny andron’ireo Indonesiana-Vazimba novantanin’ny Zafiraminia tafakatra afovoan-tany tamin’ny taonjato faha-13 ? Tsetsatsetra tsy aritra fa ny «Yug-adi», taom-baovao hindu tany India (Karnataka, Andhra Pradesh, Telangana), firenena hindu lehibe indrindra maneran-tany, dia nifanojo tanteraka tamin’ny «taom-baovao fararano» tamin’ny 2 aprily 2022.  

Dans la même rubrique