airtel

kolontsaina

03-juin-2022

kolontsaina

TENY GASY Madagasikara sy Tanibe-Britaina : efa hatramin’ny 1817

Sample post image

Ny fankalazana ny faha-fitopolo taona naha Mpanjaka britanika an’i Elisabeth II dia fanararaotra hampahafantarana ny fifaneraserana nisy teo amin’ny Malagasy (indrindra ny Merina,

03-juin-2022

ary Antananarivo manokana) sy ny Britanika (indrindra ireo Misionera LMS izay nanomboka niasa teto Antananarivo ny taona 1820), tamin’ny taonjato faha-19.

Ny 2 martsa 1837 no nihaona tamin’ny Queen Adelaide, vadin’ny Mpanjaka Guillaume IV, ny iraka malagasy notarihin’Andriantsitohaina. Vitan’i Henry Room sary hosodoko io fihaonana io. Tamin’ny 3 aprily 1964, tao amin’ny lapan’i Manjakamiadana, dia nisy lanonana nanoloran’ny Fanjakana britanika am-pomba ofisialy ho an’ny Repoblika malagasy izany hosodoko izany, ary naranty tao amin’ny Rovan’Antananarivo nanomboka teo. Taty aoriana dia nafindra ho eny amin’ny Ministeran’ny Raharaha amin’ny Vahiny, mialoha ny nametrahana azy tao amin’ny biraon’ny Filohan’ny Repoblika tao Ambohitsorohitra.

Hatramin’ny volana jolay 1989, vaninandro nifindran’ny Fiadidiana ny Repoblika ho eny (M)avoloha, dia tao Ambohitsorohitra io sary hosodoko io. Nindramin’ny Britanika indray izy, tamin’ny 1998, mba ho aranty tany amin’ny National Portrait Gallery any London. Naverina soa aman-tsara teto Madagasikara tamin’ny oktobra 1999.

Manan-tantara loatra io sary hosodoko io, hany ka nanokanan’ny Paositra malagasy hajia tamin’ny 1965. Ny fifandraisana manokana teo amin’ny Fanjakana roa tonta moa dia niantomboka tamin’ilay fifanarahana nifanaovan-dRadama I sy Robert Farquhar, Governora ny Nosy Ile de France (Nosy Maorisy ankehitriny), vita sonia ny 23 oktobra 1817. Roanjato taona taty aoriana, 23 oktobra 2017, ho fahatsiarovana izany andro manan-tantara izany, dia tonga nivahiny teto Madagasikara ny Printsesy Anne, nisolo-tena ny Mpanjaka Elisabeth II, ary nanatrika ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Katedraly anglikana Ambohimanoro.

Raha tsy fantatra loatra, hatreto, ny toerana misy marina io sary hosodoko voaresaka etsy ambony io, mazava ary mangarahara kosa ny misy ny lasitra sy dika mitovy ilay fifanarahana tamin’ny 23 oktobra 1817 : ny soratra amin’ny teny frantsay (satria ny teny frantsay no tenin’ny diplaomasia tamin’izany fotoana izany) dia ao amin’ny British Museum (Add.Mss. 18.135 Fol.245r à 248r) ary ny soratra amin’ny teny anglisy dia ao amin’ny Public Record Office de Londres (Colonial Office Records, C.O.167, vol. 34, fol.219r à 221v.).

Ny an’ny Britanika io. Ny antsika moa, na ny taratasy rehetra fongana tamin’ny nahamay ny Rovan’Antananarivo (6 novambra 1995) aza mbola tsy fantatra amin’ny antsipirihiny. Mila manara-kefa ny soa fianatra amin’ny Tahiry sy Vakoka isika.

VANF

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap