Io «Résilience» io mantsy dia vao haingana (izany hoe telopolo taona teo) no nentina manondro olona manana herintsaina nihoarany izay nahiana ho takaitra ara-panahy noho ny voina nianjady taminy. Ny antsika teto, izany «mahaiza-mionona» izany efa «araka ny fomban-drazana izay tsy mbola hita izay maharatsy azy».
Lahatra, vintana, anjara : tsara topazan’ny psykôlôjia maso ihany angamba ireo hevi-teny malagasy ireo. Raha tsy nisy an’ireo tokoa, mety ho inona no niseho teto Madagasikara, raha tsy hiresaka afa-tsy izay enimpolo taona lasa izay fotsiny.
Fanaovana politika tsy misy fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Fahefa-mividy nitambotsotra, ka nitotongana hatramin’ny fivarinana anaty fahantrana. Ny kolikoly (izay voambolana tena malagasy efa hita tamin’ny rakibolana taonjato faha-19) manjary fomba fitantanana, handrindrana ny fandrobana ny harem-pirenena.
Ny lalana simba, ny jiro tapaka, ny rano maloto, ny fitsaboana tsy manara-penitra, ny sekoly mitafo lanitra : tsy mba izany anefa no mampidina ny Malagasy an-dalambe, fa ny kobaka am-bava ifandimbiasan’ny mpanao politika hafa : tsy fahaiza-mitantana anio no atakalo fampanantenana poakaty rahampitso.
Aleo ihomehezana, hoy isika, na dia manafintohina tanteraka aza. Inona no angano-arira farany ? Hoe handefa mpanao lavadavaka amin’ny lalana any Okrainina i Madagasikara mba hanasoratra ny dian’ireo «tank» rosiana. Na koa hoe : any Japana, mamono tena izay tra-tehaka manao kolikoly ; any Shina, vonoina ho faty ; any an-kafa, ahiditra am-ponja ; eto Madagasikara, avela hirotsaka amin’ny fifidianana. Ireny, tsy nisy tany niainana ny «délestage» : tsy nirotaka ny olona fa nifampizara hatsikana hoe «An’izay i Andry e», vazivazy maneso ny fampielezan-toky fitaka.
Lahatra, vintana, anjara : angamba. Vazivazy maneso, somonga manaraby : indrindra koa.
VANF
Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,
Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,