airtel

kolontsaina

19-déc-2022

kolontsaina

TENY GASY Malakasy, Malakasikara : haran’ny Malakasy

Sample post image

Tsy fantatra marina, hatramin’izao (taona 1949), izay anarana voalohany nentin’ity Nosy ity. Ary mbola toy izany koa, tsy fantatra marina izay anaran’ny mponina voalohany teto.

19-déc-2022

Ity misy tantara anankiray azon’i Dr. Randria Michel, nalainy tamin’ny Bokim-pianakaviana Hindoa anankiray, tao Majunga, atao hoe Gokhaljee. Boky antitra dia antitra izy io, hoy izy, ary tahirizin-dry zareo tahaka ny relika mihitsy. Toy izao no tantara : «Rehefa fantatra ny fisian’ity Nosy ity, fahizzay, dia nandeha am-pianahany maro ireo Hindoa mainty, mba hiorim-ponenana teto. In-telo no efa nisy toy izany, hoy izy, ka ny voalohany dia tokony ho 200 taona talohan’i J.-K., ary ny farany dia tokony ho tamin’ny taona 500 taorian’i J.-K., ka tao Maroantsetra sy tao Vohimaro no nitody izy ireo. Ny anaran’ny karazan’ireo olona nifindra monina ireo, hoy izy, dia natao hoe «Malakasy». Rehefa tonga teto Madagasikara, tamin’ny taona 1500, ny Eoropeana, dia mbola tratrany tsara teto ny foko natao hoe «Malakasy»,izay tao atsimo-atsinanan’i Baie de Sainte-Luce na Manafiafy.

Tamin’ny taona 1708, hoy Robert Drury, raha lasa andevo tany amin’ny Antandroy izy, dia natao fihomezana ireny Malakasy ireny, satria olona tsy mety miady sy tsy tia ady toy ny foko hafa rehetra izy. Ary tokony ho Hindoa bodhista tokoa izy ireo, raha izany.

Ireo Malakasy nonina teto ireo no hitan’ny Arabo mpiantsambo talohan’ny taona 700, ary ny Nosy nisy ireo Malakasy ireo no nataony hoe «Malakasikara» na Haran’ny Malakasy (tahaka an’i Vohimaro nalaza hoe Haram-bazaha).

Izany soratra izany dia nalaina tao amin’ny boky nosoratan’i Ralaiarijaona, mitondra ny lohateny hoe «Ity Nosy ity», ary nivoaka tamin’ny taona 1949, vita printy tao amin’ny Imprimerie Antananarivo (4 bis, rue Gallieni Soarano-Tananarive).

Ny zavatra tsy dia niova, hatramin’ny taona 1949 nanoratana ny boky, dia ny mbola tsy fantatra marina oviana no tonga voalohany teto amin’ity Nosy ity ny olombelona. Ny genetika, ny arkeolojia ary ny lingoistika dia efa nahafahana kosa manoritra fa Aôstrôneziana no nonina (fa tsy nandalo fotsiny) voalohany. Mbola manalasala kosa ny taona marina nahatongavan’ireo, satria na dia siansa maro aza no mifandrimbona mikaroka dia mbola misy ahiahy : taona 500 taorian’i J.-K. sa 9000 arivo taona talohan’io.


VANF


 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap