airtel

kolontsaina

17-avril-2023

kolontsaina

TENY GASY Mandra-piandry ny «cartographie électorale»

Sample post image

Ho azo jerena ny 17 aprily 2023», hoy ny CENI. Ho azo savasavaina, alaina ambony alaina ambany, zahàna amin’ny antsipirihiny, ny «cartographie électorale».

17-avril-2023

Tamin’ny 26 oktobra 2018 dia tahaka izay manaraka etsy ambany ny tarehi-marika nomen’ny INSTAT (Institut National de la Statistique) sy ilay hoe SACEM (projet Soutien Au Cycle Électoral de Madagascar). Marihina fa, raha ny «Faritra» teloambiroapolo hatrany no tanisaina ôfisialy, dia mbola ny «Faritany» enina, voafaritra dimiambienimpolo taona lasa, no latsa-paka :

FARITANY FOKONTANY MPIFIDY BIRAO IFIDIANANA
ANTANANARIVO 3579 3335560 6587
FIANARANTSOA 4033 1812028 4841
TOAMASINA 2627 1503059 3616
TOLIARY 3970 1420214 4645
MAHAJANGA 2686 1138322 3314
ANTSERANANA 1438 704416 1849

Tsy nitsaha-nitombo isa ny Malagasy tao anatin’izay dimy taona farany izay. Io tahan’ny fitombon’ny mponina ambony miohatra amin’ny tahan’ny harin-karena io moa no isan’ny anton’ny fahantrana miavosa isan’andro, isam-bolana, isan-taona eto Madagasikara.

Raha tsy nitsaha-nitombo tahaka izany ny mponina, mitombo manaraka izany koa ny isan’ny mpifidy teo anelanelan’ny 2018 sy 2023. Tokony ho hita anaty lisi-pifidianana izany tombon’isa izany raha tsy hoe dia hiaiky isika fa aman’alina, aman’hetsiny, an-tapitrisa, ny mpifidy matoatoa ka ho maivana noho ny tamin’ny 2018 ny lisi-pifidianana 2023.

Ny fitsinjaram-pahefana tsy nisy fivoarana tao anatin’ny dimy taona farany ka tsy misy antony ho mety nampihena tampoka ny isan’ny mponina niala ambanivohitra ka namonjy tanan-dehibe. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Tokony ho hita taratra anaty lisi-pifidianana ihany koa izay fitombon’ny mpifidy an-tanan-dehibe izay, setrin’ny fitombon’ny mponina niakatra avy lavitra. Izany fitsoa-ponenana izany ihany koa dia tokony hita taratra amin’ny tarehi-marika any amin’ny Faritra nilaozany.

Ny fananana izany antontan’isa rehetra izany no atao hoe «fitaovana hanapahan-kevitra» (outils de décision). Raha tsy hoe dia hiaiky ihany koa isika, fa na teo aza ny famatsiam-bola avy amin’ny «basket fund» misesisesy, dia mbola misy indro kely indray, mbola tsy tomombana ihany, fa hoe tsy mora mihitsy ny manao zavatra (indrindra eto Madagasikara).

Efa fantatra moa ilay fanombohana amin’ny vahaolana tokony ho tohi-vakana : vitaina manontolo infôrmatika-nomerika-elektrônika ny taratasy rehetra. Vao teraka ny zaza Gasy iray, dia mahazo laharana, manaraka azy mandra-pahafatiny : na any an-tsekoly, na ara-miaramila, na any am-piangonana, na am-panambadiana, na an-kisarahana, na hifindra monina, na hividy tany, na handatsa-bato. Kara-panondro tokana, vadin-koditra, mandra-maty.

VANF

 

 

Dans la même rubrique