tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Mangarahara ialana amin’ny ahiahy tsy mampihavana

Ho fanehoana ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana ao amin’ny Rovan’Antananarivo, dia niantso solontena vitsivitsy tamin’ny taranak’Andriana (ny Andriamanjaka izany) ny Ministera.

01-févr-2023

Sample post image

Efa malina ihany aloha satria tsy nodinganina ireo taranaka. Saingy ny fijoroan’ny solontena teny Anatirova tsy midika fankatoavana na fitsipahana na tso-drano ara-teknika, izay tsy ananany fahaizana rahateo. Ny lahatsoratra «Nilatsahan’ny varatra ny Fiangonana-Anatirova» (Teny Gasy, 24 janoary 2023) dia nametraka fanontaniana vitsivitsy :

- Ny tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra tamin’ny 18 janoary 2023 dia milaza fa misy «asa maika hanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana Anatirova izay nilatsahan’ny varatra fotoana vitsy lasa izay ka misy triatra». Fa, tsy nisy fandrim-baratra angaha ny Fiangonana no nilatsahan’ny varatra ?

- Tsara ho fantatry ny vahoaka ihany koa, oviana izay «fotoana vitsy lasa» izay, ary tokony hampahafantarina mangarahara ny fehin-kevitra teknika manamarina sy mamaritra ilay «triatra».

- Mbola izany tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra izany ihany koa no manambara fa ho araraotina izao «hanaovana ny asa fikojakojana ny fiangonana izay efa an-jato taona no niorenany ka mila fanamafisana» : aleo ho fantatra mazava izay «asa fikojakojana» kasaina ary ireo «fanamafisana» heverina.

- Voalaza fa «efa vita avokoa ny fanadihadiana sy ny fandinihina mikasika ny asa izay hatao» ka izany indrindra no ilaina ho fantatra miharihary mba tsy hihavian’ny fanafintohinana hafa indray.

Raha fehezina dia fitakiana fomba fiasa mangarahara tsotra fotsiny : inona marina no nitranga, oviana izany no nitranga, inona no tatitra ara-teknika mikasika izay nitranga, inona no fehin-kevitra ara-teknika amin’izay ho atao, inona no tapaka fa ho atao. Mangarahara ialana amin’ny ahiahy tsy mampihavana.

VANF
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus