airtel

kolontsaina

06-févr-2023

kolontsaina

TENY GASY Meday alimo, nampisinda tandrifin-drahona mandavantaona

Sample post image

Fitsenàna makotroka, olona marobe manemitra ny arabe, hirahira tsy misy vidim-pidirana, afomanga, kabary mahazatra. Dia ?

06-févr-2023

Mba hanadinoana ny fahasahiranana andavanandro isan-tokantrano ; mba ho tampi-maso tsy ahitana ny fandrobàna ny fananam-pirenena anefa ny Lalam-pirenena anaran-tsy very, ny Fahasalamam-bahoaka tsizarizary, ny Sekolim-panjakana mahonena, ny vary iray lovia mbola nafarana vao loarana ho fanomezana : soa fa mba misy tahaka izao, tara-masoandro iray andro mampisinda ny tandrifin-drahona mandavantaona.

Manaitra vetivety ny hambom-po ny hoe nahazo ny meday alimo ho an’ny toerana fahatelo ny Ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny fifaninanana CHAN (Championnats d’Afrique des Nations), saingy ahoana rahampitso ? Efa-taona lasa, tafakatra hatrany amin’ny am-paha-efa-dalana tamin’ny CAN (Coupe d’Afrique des Nations) ny Malagasy : dia, aiza ny tohiny ?

Tsy Frantsa no fenitra raha baolina kitra. Saingy, tato ho ato, misy «soa fianatra» azo singanina ihany amin’ny natao tany sy ny vokatra hita maso. Tamin’ny 1976, lavon’ny Bayern Munich tamin’ny lalao famaranana ny «Coupe d’Europe des Clubs Champions» (razamben’ny Champions League ankehitriny) ny tarika frantsay Saint-Étienne : fandraisana miezinezina teny amin’ny Champs-Élysées anefa no nitsenan’ny Frantsay azy. Satria mbola tsy nahazo na inona na inona ny kitra frantsay tamin’izany fotoana izany. Ka dia efa fandresena na dia faharesena sy laharana faharoa aza.

Tsy nianona tamin’izany anefa ry zareo. Nametraka politika, fitiliana sy fiofanana. Nianatra tamin’ny mahay, dia niasa tsy nivoana tamin’ny tanjona na dia niova sy nifandimby aza ny mpitantana, ka nahomby rehefa ela ny ela. Nanamboatra ekipam-pirenena afaka mifaninana amin-dry Brazil sy Alemaina na Italia. Tompon-daka eran-tany ihany tamin’ny farany.

Rahoviana i Madagasikara vao hametraka politika matotra sy maharitra ho an’ny kitra manokana sy ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny ? Izao mantsy isika mbola «tsy nampoizina» isaky ny mandresy ary mbola «fahagagana kely» isaky ny tafita. Raha maka tahaka ny «soa fianatra», indray andro any, mba tena fandresena laharana voalohany sy tompon-daka no ho ankalazaina.

VANF

 


 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap