Ankoatra azy, sy ny reniben’i raibeny, ny Mpanjaka Victoria, izay nanjaka 64 taona (1837-1901), dia tsy misy Loham-panjakana naharitra ela tahaka azy manerana izao tontolo izao.
Raha heverina fa hoe efa nilaozan’ny toetr’andro ny Fanjakana ifandovana, dia mahagaga ihany ny firedaredan’ny fo raha vao mahakasika ny lova napetraky ny tany Faha-Mpanjaka. Tsy ilaozan’izany isika eto Madagasikara, na dia nofoanan’i Gallieni tamin’ny 1897 aza ny Fiandrianana, na dia nisy ny Kongresin’ny Antenimiera Provinsialy nanao tsanga-tanana ny Repoblika aza tamin’ny 1958. Vahoaka an’hetsiny no tonga nitsena sy nanatitra teny Anatirova ny taolambalon’ny Mpanjaka Ranavalona III raha nampodiana teto an-tanindrazana tamin’ny 1938. Raha vao nirehitra ny Rovan’Antananarivo tamin’ny 1995, fisaonam-pirenena tsy niandry Filan-kevitry ny Governemanta no niseho ary ny alahelo tezitra sy sarotiny sady saro-piaro tamin’izany dia mbola tsy lefy mandrak’ankehitriny.
Tetiarana : isan’ny kitro ifaharan’ny fiandrianana. Misy antony ireny matoa tanisaina. Misy hasina ireny fa tsy soratsoratam-poana fahatany. Raha ny tetiaran’i Elisabeth II ary dia Alemana izy : satria nanambady an’i Albert Saxe-Cobourg-Gotha ny razambeny Victoria. Fa efa nanomboka tamin’ny 1714 ny Mpanjaka anglisy no taranaky ny Printsy alemana avy any Hanovre. Raha nivahiny tany Englanda ny iraka Malagasy, tamin’ny 1837, dia noraisin’i Queen Adelaïde, vadin’ny Mpanjaka Guillaume IV : vita hosodoko malaza izany fihaonana izany.
Ary vao tamin’ny 1917, nandritra ny «Ady Lehibe» nifanandrinan’ny Britanika sy ny Alemana, no novana ho «Windsor» ny anaran’ny fianakaviana, na dia fantatry ny mpahalala aza fa tsy ho very tsy ho Saxe-Cobourg-Gotha izy sy ny taranany.
Tetiarana sy fatora-pihavanana : taranak’i Jean-Georges Hohenzollern, Printsy tany Brandebourg, avokoa ny Mpanjaka nanerana an’i Eoropa. Mpihavana, mpiray tam-po, no nitarika olona folo tapitrisa hifandrika tamin’ny «Ady Lehibe» 14-18. Tsy naharitra ela taorian’ireny koa dia rava ny Fanjakana Andriana tany Rosia ary maty novonoin’ny mpanao revolisiôna ny Tsar Nicolas II mivady sy ny zanany dimy ary ny iray tam-po taminy sasany. Rava tahaka izany ihany koa ny Fanjakana Hohenzollern (Alemana) sy Habsbourg (Autriche).
Fa noho ny raharaham-pianakaviana sy ny «lova tsy mifindra», dia Vondrona eoropeana talohan’ny fotoana ny Andriana nifampivady.
VANF
Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i
Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP
Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023
Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,