airtel

kolontsaina

12-sept-2022

kolontsaina

TENY GASY Niamboho Ny Andriana Elisabeth II (1926-2022)

Sample post image

Niamboho ny 8 septambra 2022 ny Mpanjakavavy anglisy Elisabeth II. Mahazendana, mampitolagaga, mahatalanjona,

12-sept-2022

ny fanajana asehon’ny vahoaka britanika ny anarany. Mpanjaka taranaky ny Mpanjaka izy, saingy amin’ny maha Fanjakana entin’Antenimiera (monarchie parlementaire) ny any, dia ny Praiministra no tena tompon’ny fahefana.

Nandritra ny fitopolo taona nanjakany (1952-2022), izy no manam-pahefana britanika fanta-daza indrindra maneran-tany. Praiministra efatrambinifolo no nifandimby niara-niasa taminy, ary vao avy nitso-drano ilay faha-15 izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Ny Praiministra miserana, ny Mpanjaka mitoetra.

Ny fombafomba sy aro-fenitra manodidina ny «Masina» sy ny «Fisehoana» dia efa fitopolo taona no tsy natao. Tsy very anefa izany fa voatahiry soa aman-tsara : tsy tapaka nifandimby ny «vato namelan-kafatra» nandritra izay fitopolo taona izay. Tsy haitraitra vao noforomporonina tampotampoka teo izany rehetra izany, fa fomba efa masaka an-jato taona maro, nifandovana «hatramin’i dadaben’i dadabe».

Vao tamin’ny 1 jona teo («Mpanjaka Elizabeth : fitopolo kely fitopolo»), isika no namisavisa fa «Raha heverina fa hoe efa nilaozan’ny toetr’andro ny Fanjakana ifandovana, dia mahagaga ihany ny firedaredan’ny fo raha vao mahakasika ny lova napetraky ny tany Faha-Mpanjaka. Tsy ilaozan’izany isika eto Madagasikara, na dia nofoanan’i Gallieni tamin’ny 1897 aza ny Fiandrianana, na dia nisy ny Kongresin’ny Antenimiera Provinsialy nanao tsanga-tanana ny Repoblika aza tamin’ny 1958. Vahoaka an’hetsiny no tonga nitsena sy nanatitra teny Anatirova ny taolambalon’ny Mpanjaka Ranavalona III raha nampodiana teto an-tanindrazana tamin’ny 1938. Raha vao nirehitra ny Rovan’Antananarivo tamin’ny 1995, fisaonam-pirenena tsy niandry Filan-kevitry ny Governemanta no niseho ary ny alahelo tezitra sy sarotiny sady saro-piaro tamin’izany dia mbola tsy lefy mandrak’ankehitriny».

«Tsy azo ovana ny maha Repoblika ny Fanjakana» : misy an’io andininy io avokoa ny Lalam-panorenana malagasy hatramin’ny 1959. Mahatsikaiky ihany satria na ny hoe «Fanjakana» aza dia mbola indramin’ny Repoblika tamin’ny faha-Mpanjaka. Mahalasa saina ihany koa satria izay napetrak’olombelona, afaka ravàn’olombelona : ka raha nisafidy (maimaika) ny Repoblika tamin’ny 1958, afaka mandinika (milamina) ny endri-pitondrana hafa, indrindra raha samy resy lahatra fa sadasada izay enimpolo taona mahery lasa izay.

Mpanjaka nanam-pahendrena sy nanaja-tena, feno hasina tokoa imason’ny vahoakany. Voninahitra sy reharehan’ny fireneny imason’izao tontolo izao. Raha misy famaritana akaiky indrindra ilay hoe hoe «softpower», dia Ramatoa Elisabeth II, nanjaka 1952-2022.

VANF


 

Dans la même rubrique