airtel

kolontsaina

24-janv-2023

kolontsaina

TENY GASY Nilatsahan’ny varatra ny Fiangonana-Anatirova

Sample post image

Fahiny dia tsy azo nanorenana rindrina vita amin’ny tany sy vato ny faritra anaty vavahadin’Antananarivo. Trano kotona hazo manontolo no nandravaka iny vohitra ambony iny, izay tena Antananarivo ara-tantara.

24-janv-2023

Rehefa nanjaka Ranavalona II dia nalàna ny fady amin’ny vato sy biriky, ny 17 jona 1868. Ny Mpanjaka sy ny Praiministra rahateo efa vita batisa tao amin’ny lapa Manampisoa ny 2 febroary 1869 koa dia nalatsaky ny Mpanjaka ny vato fehizoron’ny Fiangonana Anatirovan’Antananarivo, tamin’ny 20 jolay 1869. Iraikambinifolo taona taty aoriana, ny 8 aprily 1880, vao vita ka notokanana ny Fiangonana Anatirova.

Ny sabotsy 20 jolay 2019 no nankalazana ny faha-150 taona ny Fiangonana Tranovato Anatirova, tamin’ny fotoam-pivavahana notarihin’ny FJKM, izay misahana indray ny FFKM nanomboka alahady farany teo.

Ny tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra tamin’ny 18 janoary 2023 dia milaza fa misy «asa maika hanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana Anatirova izay nilatsahan’ny varatra fotoana vitsy lasa izay ka misy triatra». Fa, tsy nisy fandrim-baratra angaha ny Fiangonana no nilatsahan’ny varatra ?

Tsara ho fantatry ny vahoaka ihany koa, oviana izay «fotoana vitsy lasa» izay, ary tokony hampahafantarina mangarahara ny fehin-kevitra teknika manamarina sy mamaritra ilay «triatra».

Mbola izany tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra izany ihany koa no manambara fa ho araraotina izao «hanaovana ny asa fikojakojana ny fiangonana izay efa an-jato taona no niorenany ka mila fanamafisana».

Hatramin’ny nahamay ny Rovan’Antananarivo, dia maha sarotiny manokana izay mitranga ao Anatirova, izay ampatsiahivina hatrany fa misy Lapa manan-tantara sy ireo Fasan’ny Andriamanjaka nifandimby. Mba tsy hitanisana indray ny fanafintohinana noho ny fanohintohinana ny Tantara ka nanovàna endrika ny ao Anatirova, aleo ho fantatra mazava izay «asa fikojakojana» kasaina ary ireo «fanamafisana» heverina.

Voalaza fa «efa vita avokoa ny fanadihadiana sy ny fandinihina mikasika ny asa izay hatao» ka izany indrindra no ilaina ho fantatra miharihary mba tsy hihavian’ny fanafintohinana hafa indray.

VANF

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap