airtel

kolontsaina

28-août-2023

TENY GASY

Ny ahiahy tsy mampihavana, rehefa be loatra ny kitoatoa

Sample post image

Ny ahiahy dia tena tsy mampihavana. Rehefa be loatra ny kitoatoa, mifanesisesy ny «eo ho eo ihany»,

28-août-2023

zary lasa fomba fanao ny «zara fa», dia tsy mahatoky intsony ny olona. Mampalahelo fa izany no mahazo an’i Madagasikara imason’ny firenen-kafa.

Ny Oniversite-antsika, izay rehareha tamin’ity faritra andrefan’ny Ranomasina Indiana ity, ary nahatongavan’ny olona maro avy amin’ny Nosy manodidina tonga nandranto fianarana teto, anaran-tsy very sisa : ankehitriny, dimampolo taona aty aoriana, isika indray no mandefa ny zanantsika hianatra any Môrisy na La Réunion.

Mialoha ny fanombohan’ny Lalaon’ny Nosy, narary ny fo nahita ny fomba firesak’ireo gazety any La Réunion sy Môrisy : isika Malagasy mantsy, ohatra, no nangataka indray hampivondronana ny taranja rehetra ho eto Antananarivo, hoe noho ny antony «fandriampahalemana». Zato andro nialoha ny fanombohan’ny Lalao, nofoanana avokoa ireo taranja saika hifaninanana tany Mahajanga, Toleara, Tolagnaro. Velom-panontaniana ny olona : ahoana ihany, ho vonona ara-potoana ve, ho tomombana ve...

Raha ny zava-tsampona niseho, hatramin’ny nahatongavan’ireo Vahiny teto Madagasikara aloha, dia efa tantara mitohy sahady. Nisy fotoana, narary kibo ny mpilalao môrisiana : hatramin’ny voankazo gasy no nifanafaran’izy samy izy tsy ho hanina intsony aloha. Na isika tompon-trano aza, mahalala loatra fa tsy tahaka ny taloha ny lokon’ny ranon’ny Jirama. Ho omen-tsiny ve ny olona raha malaza ratsy hatrany ampitan-dranomasina ny ratsy tsy vita intsony ifanakonana.

Fa amin’ny henatra sy fahafaham-baraka, misy ny tsy ho tanty indrindra dia ny halatra. Enga anie ka tsy marina ny fanendrikendrehana manodidina ireo meday volamena sasany azontsika. Efa tena manao tohy vakana ny zavatra tsy tomombana, hany ka ny ahiahy no mahazo vahana avy hatrany. Ny voninahitra kely mbola tavela, aoka re tsy ho araraka manontolo an-tany : raha fandresena tsy nisasarana, raha volamena sadasada, aleo ho very tsy hisy tompony fa tsy isika no hiambozona sandoka.

VANF

 

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap