airtel

kolontsaina

21-sept-2022

kolontsaina

TENY GASY Ny fanahy no maha-Andria(manjaka)

Sample post image

Tsara levenana ny Mpanjakavavy Elisabeth II, henin-kaja ny Fanjakana britanika. Ny ahy, anatra telo no ho asongadiniko : ny lanjan’ny Tantara, ny fahaiza-manao zavatra, ny fahaiza-miaina.

21-sept-2022

Ny lanjan’ny Tantara. Ny taona 1714 i Georges Brunswick-Lüneburg, izay efa mpanjakan’ny Hanovre, no niakatra ihany koa ho mpanjakan’i Englanda. Dadaben’ny dadaben’ny Mpanjaka Victoria izy. Hatreo amin’i Victoria (Saxe-Cobourg-Saalfeld avy amin’ny reniny), izay nanambady ny Printsy Albert, dia Saxe-Cobourg-Gotha ny Mpanjaka britanika. Anarana henin-kaja izany anarana izany, manerana an’i Eoropa : ny taona 1900, tsy latsaky ny dimy ireo Fanjakana nahitana Saxe-Cobourg-Gotha teo amin’ny fiandrianana. Vao ny taona 1917, noho ny adin’ny samy Eoropeana, no nanovàna ho «Windsor» ny anarana Saxe-Cobourg-Gotha. Victoria (nanjaka 1837-1901) dia reniben’ny dadaben’i Elisabeth (nanjaka 1952-2022).

Ny fahaiza-manao. Roapolo taona, hono, no efa niomanana tamin’iny fotoan-dehibe 19 septambra 2022 iny. Tsy ankamehana mba hilazana hoe «tsy mora ny manao zavatra». Tsy nisy nivaona fa kinajy antsipirihiny. Ireny ka tena aro-fenitra, tsy mampandainga ny voambolana hoe «manara-penitra». Raha nisy angamba «indro kelin’ny mpandrafitra», mety heloka naha tapa-doha.

Ny fahaiza-miaina. Marim-potoana fa tsy hoe «sao mbola misy andrasana». Na Mpanjaka na Filohan’ny Repoblika, rehefa fotoana dia fotoana, fa tsy hoe finaritra mampiandry, sao tsy fantatry ny olona ny voninahitra keliny. «Ny miarahaba, tsy maha-andevo. Ny arahabaina, tsy maha-andriana» : asa, inona no ohabolana mifandraika amin’izany rehefa mby amin’ny fifanajana ara-potoana.

Ny fahaiza-miaina (ihany). Vahoaka an’alin-kisa, samy te hahita azy farany, saingy tsy nihoa-pefy, tsy nifanosika, tsy nifanitsaka. Vahoaka marobe, nahay nanotrona am-pahanginana. Manam-pahefana isan-tsokajiny, tsy notapohim-boninahitra ka maivan-doha mampaneno kiririoka tahaka ny mpanao famadihana mibahana arabe.

Ny fahaiza-miaina (hatrany) no kitro ifaharan’ny fiandrianana britanika, izay Fanjakana entin’Antenimiera. Tsy manana tapiam-pahefana, saingy to-teny. Satria mihaja, mendrika ho hajaina. Raha ireny niaraha-nahita ireny : ny fanahy no maha-Mpanjaka, ny fanahy no maha-Andriana.

VANF

 


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap