airtel

kolontsaina

13-juin-2022

kolontsaina

TENY GASY Ny Jesoita sy Madagasikara : Toko 1 (1613-1846)

Sample post image

Ny taona 1613, i Luis Mariano, Jesoita tera-tany italiana, no nifanerasera voalohany tamin’ny mpanjaka antanosy Tsiambany.

13-juin-2022

Nentiny nianatra tany India ny printsy Andria-Ramaka, zanak’i Tsiambany, tamin’ny 30 novambra 1613. Rehefa vita batemy tany Goa Andria-Ramaka (nomena anarana hoe Don André) dia niverina tany Anosy. Lasa mpanjaka nandimby an-drainy taty aoriana, saingy maty nampamonoin’i Étienne Flacourt tamin’ny 1651.

Rehefa niala tao amin’ny faritra Anosy ny Jesoita dia ny Lazarista no niezaka namahatra tany Fort-Dauphin nandritra ny 25 taona : 1649-1674. Efa ho roanjato taona aty aoriana indray, 1844, vao taitra ny Lazarista nomena hitantana ny faritra Oseana Indiana, ka ny abbé Pierre Dalmond no nangataka tany Roma mba handefasana misionera «indrindra Jesoita».

Ireto no anaran’ireo Jesoita enina mirahalahy voalohany : Mompera isany Pierre Cotain, Ambroise Neyraguet, Joseph Bobillier, Romain Déniau, ary Frera roalahy Charles Nemacle sy Félicien Jouffre. Nampian’ny Louis Jouen sy Marc Finaz taty aoriana (1846), izay nitarika azy ireo hanokatra ny Misiona tao Nosy-Be.

Vokatra lehibe indrindra izay nipetrahana tao Nosy-be izay dia ny Mompera jesoita malagasy roa voalohany, samy teraka tao Nosy-Be, samy taranak’i Mpanjaka Linta : Basilide Rahidy (zanany), Venance Manifatra (zafikeliny).

Basilide Rahidy (1839-1883) : teraka tao Nosy-Be ary nentin’i Pierre Dalmond hianatra any Bourbon (la Réunion ankehitriny) izy sy ny rahalahany Rasoma, ny taona 1846. Niditra ho Jesoita ny taona 1857, nianatra teôlôjia tany Frantsa (1870-1874) ary ny nanokan-tena ho pretra, ny taona 1874. Maty tao Ambohipo ny 10 aprily 1883. Izy no Jesoita Malagasy voalohany.

Venance Manifatra (1862-1926) : teraka tao Faseny (Nosy-Be), zafikelin’ny mpanjaka Linta, nianatra teto Antananarivo (1875-1877), La Réunion (1877-1878), Frantsa. Niditra ho Jesoita ny taona 1881, pretra tamin’ny 1896 : izy no pretra malagasy nohamasinina voalohany teto anivon’ny riaka.

FANAMARIHINA : ny andinindiny dia notsoahina tamin’ilay boky vao nivoaka «Les Jésuites dans l’histoire de Madagascar», Dossou Davy & Ratsimbazafy Fulgence (dir.), Analamahitsy-Antananarivo, Éditions Ambozontany, 2022.

VANF


 

Dans la même rubrique