airtel

kolontsaina

05-mai-2022

kolontsaina

TENY GASY Ny lalana no kitro handrosoan’ny Faritra

Sample post image

Antananarivo-Arivonimamo-Miarinarivo-Analavory-Ankadinondry/Sakay : dimy amby efapolo taona lasa, raha nandeha hatrany,

05-mai-2022

toa tsy tsaroako niteny hoe Ankadinondry na Babetville (anarana niforonany tamin’ny 1952 rehefa nanafarana sy namponenana «voanjo» mpihavy avy any La Réunion) fa dia hoe «Sakay» fotsiny, mitondra ny anaran’ilay rano manasaraka ny Faritra Itasy sy Bongolava ankehitriny.

Tsara dia tsara ny lalana RN1, ary mendrika ho singanina mitaha amin’ny fahasimban’ny lalana rehetra, na dia afovoan’Antananarivo-Renivohitra aza. Raha ny RN43 indray, ny telopolo kilometatra voalohany, Analavory-Ampefy-Soavinandriana, mandalo ny farihy Itasy, no «tahaka ny mahazatra» : zara fa hita ny soratra amin’ny «borne kilométrique», tsy misy marika ny arabe, mifandimby ny lavaka sy ny fasika efa nahazo toerana.

Tandremo fa, raha alatsinainy no tonga ao Soavinandriana, dia tapaka ny lalana satria mibahana afovoan-dalana tsotra izao fotsiny ny tsena isan-kerinandro izay ifamotoan’ny tanàna maro manodidina. Tandremana ihany koa ny andian’omby maro, vao avy niova tanana, ka mbola tsy mifankazatra na izy samy omby na ny biby sy ny mpandroaka azy.

Mivoaka an’i Soavinandriana dia misosa amin’izay ny RN43, 90 kilometatra hatrany Sambaina amin’ny RN7. Lalan-tany Analavory-Soavinandriana-Faratsiho tany amin’ny taona 1959. Dia nihasimba tsikelikely irery tao, tahaka ny an-tany lavitra Andriana rehetra eto Madagasikara. Folo taona, nanomboka tamin’ny 2013, no nanomboka namerenana azy ho tara ka ny ampahany Faratsiho-Sambaina vao vita farany. Misy toerana mahafinaritra mihitsy eto amintsika, saingy mahalana vao mba mora lalana tahaka izay lalovan’ny RN43 ankehitriny.

Raha tsy ovaina ny Fanapariaham-panjakana sy fanapariaham-pitaovana dia ahiana tsy haharitra io RN43 lasa mahasarika mpizaha-tany io. Misy efa mihotsaka an-tanimbary sahady ny ampahany sasany, ny hadilanana amin’ny toerana hafa ihany koa adino no nanisy «batery» azy ka mianjera amin’ny arabe ny vato. Tsy misy intsony moa ny «brigade routière» sy ny «cantonnier» mpanara-maso any an-toerana.

Faratsiho-Ambatolampy mivantana, Arivonimamo-Manalalondo-Faratsiho : ny lalana no kitro handrosoan’ny Faritra rehetra eto Madagasikara miaraka.

VANF


 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap