airtel

kolontsaina

19-juin-2023

kolontsaina

TENY GASY Ny Rovan’Antananarivo, tsy very anarana am-pon’ny mahalala

Sample post image

Rovan’Antananarivo, Rovan’Ambohimanga, Rovan’Ilafy, Rovan’Antsahadinta, Rovan’Ambohidratrimo : tamin’ny Tendrombohitra Roambinifolo teto Imerina,

19-juin-2023

dia izy dimy ireo sisa no nisy ho tsidihina, mialoha ny nahamay (indray) ny Rovan’Ambohidratrimo.

Rehefa voafindra any amin’ny Rovan’Ambohimanga ny lapa nantsoina hoe «Felatanambola» dia nampanorenan-dRanavalona I ny lapa Manjakamiadana ny toerana. Tamin’ny taona 1839 izany. Jean Laborde no tompo-marika : trano hazo isan’ny avo indrindra maneran-tany tamin’ny fotoan’androny, satria 42 metatra ny vovonana, 18 metatra ny sakany, 29 metatra ny lavany. Roa taona, 1839-1841, no nahavitan’i Manjakamiadana-hazo. Nanomboka tamin’ny 1869 kosa ny fandrakofana vato, ka James Cameron no tompo-marika. Mbola tsy vita ny Manjakamiadana-vato raha nodimandry i James Cameron tamin’ny oktobra 1875. Rehefa vita manontolo ny Lapa, ankevitry ny taona 1880, dia io Manjakamiadana miezinezina, indraindray maha very anarana ny Rovan’Antananarivo io.

Diso anefa ilay fiteny hoe «Rovan’i Manjakamiadana», satria ny Rova dia ny tokotany voafefy misy kianja sy Lapa manotrona ny fasan’Andriana.

Ny Rovan’Antananarivo nahazatra, talohan’ny afobe tamin’ny 6 novambra 1995, dia nahitana an’i Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manjakamiadana, Manampisoa, ny Fiangonana tranovato. Ary indrindra indrindra ireo Fasan’ny Mpanjaka : dia ny Fitomiandalana izany otronin’ny Fasan-dRadama, natao ho «Fasan’ny Lahy», sy ny Fasan-dRasoherina, nanjary «Fasan’ny Vavy», hatramin’ny 1897.

Mbola nisy ny Lapa Tsarahafatra, izay voarakitry «Ny Gazety Malagasy» fa fandraisan-dRanavalona III ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila frantsay, tonga nifampiraharaha taminy, nandritra ny roa taona (oktobra 1895 - febroary 1897), nialoha ny nandefasana azy ho sesitany, ny alin’ny 27 febroary 1897. Noravan’ny Frantsay moa ny Lapa Tsarahafatra rehefa lasa ny Andriamanjaka farany.

Ireo Mpanjakan’Antananarivo sy ny iray tampo taminy, hatramin’ny andron’Andrianjaka ka mandra-pahavorin’Andrianampoinimerina indray an’Imerina, izany hoe sahabo 1610 ka hatramin’ny 1792, no nafenina tamin’ny Fitomiandalana. Ny atsimo indrindra, ary voalohany, dia ny Fasan’Andrianjaka. Rehefa niamboho Andriamasinavalona, nahavory an’Imerina Efa-Toko (taonjato faha-17/18), dia nafenina tao amin’ny Fitomiandalan’ny Rovan’Antananarivo. Ny azy no Fasana lehibe sy avo indrindra amin’ireo Miandalana. Andrianampoinimerina kosa, izay nahavory an’Imerina ho Enin-Toko (faramparan’ny taonjato faha-18) dia nafenina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga.

Radama (1810-1828), Ranavalona (1828-1861), Rasoherina (1863-1868), Ranavalona II (1868-1883), Ranavalona III (1883-1897) : ireo Andriamanjaka tamin’ny taonjato faha-19, dia nifampizara tamin’ny Rovan’Antananarivo sy ny Rovan’Ambohimanga. Radama II (1861-1863), nanjaka tapany, dia nafenina tao amin’ny Rovan’Ilafy. Fasana ny Rova, Fasam-pianakaviana, ary Fasam-pianakavian’ny Mpanjakan’Antananarivo sy Imerina, raha ny Rovan’Antananarivo manokana.

Tamin’ny 14 martsa 1897, dia nozimbain’i Gallieni, nasainy nosokafana ary nafindra toerana ny Fitomiandalana tao amin’ny Rovan’Antananarivo. Noloarany tahaka izany koa ny Fasana teny amin’ny Rovan’Ambohimanga ka nobataina ho ao amin’ny Rovan’Antananarivo ny Mpanjaka rehetra tamin’ny taonjato faha-19.

Fanotana fady niniana natao moa izany satria ny Andriamanjaka merina tsy mba atao famadihana, Ny Andriana ihany koa tsy aronjin-doha. Iraikamibifolo amby zato (111) taona taty aoriana, raha nanontany ny Ministeran’ny Kolontsaina ny amin’ny hamerenana eny Ambohimanga ireo Andriana nafindra taty Antananarivo, dia namaly ny Jaky Mena, fikambanan’ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy ary ny Andriamasinavalona, ny 29 jolay 2008 :

«Noho ny fanidin’ny taranaka Jaky Mena ireo fasana ireo, sy ny tahotra mafy ny hanota fady, ka sanatria hilolohavan’ny ankehitriny sy ny taranaka ho avy ny tsiny sy ny tody, dia sitrakay sy telinay indrindra ny hitazonana hijanona amin’izao ireo Masina ireo, araka izay efa nipetrahany izao. Ary satria fantatray tsara fa na nisy aza ny famindrana dia nisy tamin’ireo taolambalo sy vovoka no tsy voahetsika tany Ambohimanga sy tao amin’ny fitomiandalana atsimo teo Antananarivo, dia irinay indrindra ny hiverenan’ny hasina sy ny maha-izy azy ireo amin’ny «fanafoana» amin’ny tranomasina velaran-tsihy ireo nitoeran’ny fitomiandalana fahiny».

Io toerana manan-kasina io, nisy ny Fitomiandalana fahiny, dia eo avaratra atsinanan’i Besakana, atsimo atsinanan’i Manjakamiadana, am-pototry ny rafi-bato nitondra ny Lapan’i Manampisoa.

Ny fanetren-tena mety ho fahambonian-toetra. Apetraka izao Tahiry izao mba ho fitadidy sao misy alaim-panahy hanova ny Tantaran’ny Rovan’Antananarivo.

VANF
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap