airtel

kolontsaina

11-mai-2022

TENY GASY Ny tanimbarin’Ingahandriana Ramiarinjatovo, 6 t

ha

Sample post image

Folo taona lasa izay, nitantara Itompokolahy Jean-Pierre Domenichini, nahafantatra izany Ingahandriana Ramiarinjatovo izany.

11-mai-2022

Mpitendry valiha nahay hono io Rangahy io, tany amin’ny taona 1960, saingy may kilan’ny afo tamin’ireny nandorana ny Radio teo Anosy tamin’ny 26 janoary 2009 ireny ny sangan’asany. Fa ny toa hoe nampiavaka azy dia nahavokatra vary enina (6) taonina isa-hektara tamin’ny tanimbariny tao Betsimitatatra izy, anefa dia fitaizana tanimbary ara-nentim-paharazana.

Araka ny fitantaran’i Mompera Henri de Lalaunie, Jesoita nahitana teto Madagasikara ny «SRI» dia «fomba hita kisendrasendra tany Manantenasoa-Antsirabe, ny taona 1983-1984, ilay nantsoina taty aoriana hoe «Voly Vary Maro Anaka». Araka ny maha tanora ny ketsa (valo andro), no maha maro ny zana-bary ; araka ny maha maro ny zana-bary, no mahabe ny vokatra azo. Zendana Mompera de Lalaunie ka ny boky nosoratan’ilay mpikaroka japoney, Katayama, no nanome azy ny fanazavana siantifika. Tany Mahitsy no nampisehoana azy voalohany tamin’ny Tantsaha ary ny taona 1992 no nankatoavin’ny Fanjakana ny fiantsoana hoe «SRI» (système de riziculture intensive). Dia nisy manampahaizana japoney indray kosa tonga nitsidika teto Madagasikara : satria, raha 8 taona/hektara any aminy, ny sasany tamin’ny mpanao VVMA nahavokatra 24 taonina/hektara.

Any Mananjara, andrefan’i Mahitsy, izay misy ny foibe FOFIFA, no efa nanandramana hatramin’ny 2019 ilay vary «hybride» nentin’ny orinasa sinoa : «Wei Chu 902-3». Vary notsongaina manokana hahatanty haintany : 9 taonina/hektara tetsy Mahitsy, 11 taonina/hektara tany Ambatondrazaka.

Mihinana vary 2,26 kg isan’andro ny ankohonana misy olona 5,8 ary mahalany vary 108,8 kg isan’olona isan-taona ny mponina ambanivohitra. Izany no vokatry ny fanadihadiana, tamin’ny roapolo taona lasa : Monographie de la Région d’Antananarivo, Ministère de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche, juin 2003. Tsy dia mankaiza anefa ny vokatra isa-hektara raha miohatra amin’ny an’Ingahandriana Ramiarinjatovo : 2,9 taonina/hektara.

Taona Lanja (taonina) Velaran-tany (ha) taonina/hektara
2000 286385 106940 2,7
2001 311200 107325 2,9
2001-2002 440425 151325 2,9

Any Vietnam, efa ho 8 tapitrisa hektara ny tanimbary, ary mamokatra 6 taonina isa-hektara. Mahavita-tena ara-bary ny firenena, ary manondrana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena : faharoa maneran-tany manarakaraka an’i Thaïlande. Sady manana tahiry an-tsompitra no manovo loharanom-bola. Mba tsy hiankin-doha lava izao, sy ho andevon’ny fanafaran-kanina, hain’i Madagasikara ny soa ho fianatra.

VANF

 

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap