airtel

kolontsaina

17-août-2023

kolontsaina

TENY GASY Ny tena vitantsika Malagasy : ho fahatsiarovana an-dRamaroson André

Sample post image

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

17-août-2023

sa ny Filazana Manjo hoe nodimandry Ingahy Ramaroson André ? Ny vaovao voalohany, tsy manambara zavatra inona ankoatra ny fanafintohinana miavosa vokatry ny fanalam-baraka misesisesy ny firenena, izay toa zary lasa fomba fiasan’ity fitondrana ity. Ny vaovao faharoa kosa dia fanararaotra hiresahana ny Fandraharahana eto Madagasikara, indrindra fa ny lafiny indostria, izay marefo ka mahatonga antsika manafatra entana maro loatra any ivelany.

Nodimandry Ramaroson André, mpanorina sady Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa «Savonnerie tropicale». Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Tsiranana Philibert tamin’ny volana jona 1969, ny «usine» famokarana savony. Efa roapolo taona mahery ihany koa izao ny «Savonnerie tropicale» no manana fambolena sy fanodinana ho menaka, any Melville, Faritany Toamasina. Maha saro-piaro azy mihitsy ny mampahalala fa «petra-bola malagasy 100%» izany rehetra izany.

Isaky ny 20 novambra, andro iraisam-pirenena ho an’ny fampitaovana indostrialy, dia manao fanambarana ny «Savonnerie tropicale». Omeny tsiny ny Fanjakana, tsy mitsinjo ireo Malagasy mampiasa vola eto, mampihodina akora eto, miteraka asa eto an-toerana. Fifaninana tsy ara-drariny, hoy izy, ny eo amin’ny sehatry ny savony, ohatra. Tataovana haba ambony kokoa ny famokarana «bondillons» eto an-toerana, anefa amoraina ny fanafarana «bondillons» vita any ivelany. Tsiniaviny ihany koa ny hosoka ataon’ny sasany izay antsoiny hoe «mpanao savony anarany fotsiny» : manao hosoka eo amin’ny fadintseranana ireo mpanafatra «bondillons» mba tsy handoavana afa-tsy 5% raha tokony ho 20% no miditra amin’ny Fanjakana.

Sady voa ny Fanjakana no voa ireo tena indostria eto an-toerana. Raha toa mantsy ka tataovana haba ara-dalàna ireo «bondillons» afarana, dia hahazo vahana ny fanodinana akora, amin’ny indostria eto an-toerana.

Santionany iray ihany, amin’ny politika misy eto Madagasikara. Tsy misy fiarovana ny famokarana «ny tena vitantsika Malagasy» fa avela ho baranahiny ny fibosesehan’ny entana marobe, izay efa vita an-toerana ny sasany. Indraindray aza, ny entana afarana indray no mora noho ny vokatra malagasy.

Tamin’io ady ho an’ny «patriotisme économique» io dia nalahelo ihany ny «Savonnerie tropicale» noho tsy fisian’ny firaisankina amin’ny samy mpandraharaha malagasy : ny «Magro» (Malagasy Grossiste), hoy izy, tsy mba namarotra ny savony nataon’ny «Savonnerie tropicale».

Ady efa aman-taona maro, mbola tsy tanteraka satria tompon-trano mihono sady zanak’Ikalahafa hatreto ny indostria malagasy manoloana ny tombony tsy ara-drariny (mba tsy ilazana hoe tsy ara-dalàna) omena ny vahiny. Raha avela hitohy izao dia ho mpindrana manontolo ny Malagasy eto amin’ny Tanindrazany. Ny fanoherana izany, ary fametrahana fitaovana hanatanterahana izany vina izany, no hahatsiarovana an’i André Ramaroson.

VANF
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap