tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Rafandrana : mpanjakan’Antananarivo fahagola ?

Rabodonandrianampoina Atsimon’Ambatondrafandrana Avaratr’Ambohimitsimbina Andrefan’Imandroseza Atsinanan’Ambohijanahary

09-mars-2023

Sample post image

Isaky ny miresaka an’Antananarivo, dia Andrianjaka hatrany no mby an-tsaina voalohany. Nitondra anarana hafa anefa taloha io trafo vatolampy toa nasondrotry ny heniheny manodidina azy io. Saika ho nosy raha tsy nisy ny tetezan-tany mandraikitra azy amin’i Faravohitra andaniny avaratra, ary Isotry (Ambodin’Isotry no diso anarana hoe Isotry ankehitriny), ankilany andrefana. Saika adinoko ny fifanohizan-takibany amin’Ambohijanahary na dia nohantsinana hisy hadilanana (very fanonona hoe Ankadi-lalana).

Ankoatra ny Rovan’Antananarivo sy ireo toerana hafa mamaritra iny Tanàna-Ambony iny (Imarivolanitra, Andohalo, Itsimihatsaka, Ankaditapaka, Ambohimitsimbina - sa Ambohimi-tsingina noho izy tendrony avo indrindra eny ambony eny ?) dia toerana roa ihany no misalotra anaran’olona : Amparihin-dRasahala sy Ambatond-dRafandrana. Andriamifidy, Ministra faha-Mpanjaka vao lasa mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana, dia nanatsidika hoe «Ambaton’i Behavanja» no lasa Ambatobevanja : saingy tsy misy mahatadidy izany Rabehavanja izany intsony mihitsy.

Raha fantatra kosa hoe isan’ireo vadin’Andrianampoinimerina i Rasahala dia verivery ny tantara mikasika an-dRafandrana.

Andrianizinizina, Andrianalinalina, Andrianerinerina, Andrianahitrahitra, Andriananjavonjavona, Andrianamponga, Andriandranolava, Andrianamboniravina, Andriampandrana : araka ny lovantsofina iray (fa maro ary mety mifandimpatra ny lovantsofina) dia toy ireo no tetiarana.

Isan’ireny lovantsofina samy hafa fitadidy ireny ireto manaraka ireto : «Rafandramanenitra, vadin-dRafaramahery, teo Ambohimasimbola, niteraka an-dRangitamanjaka sy Ratsiseranina» (Tantara Ny Andriana, 9). «Andriampandrana, Andriandohafandrana, Andriampandramanenitra, Rafandrampohy, Rafandrandava. «Ary Rafandrandava niteraka an-dRangita sy Rafohy eroa Merimanjaka» (TA, 11).

Ny Tantara Ny Andriana, takila 9-10, dia mitanisa Andriana 41 ho an’Imerina ary 5 ho an’Imamo, ka ny 31 «Andriana nanoa», ny 10 «Andriana resy».

Andrianamponga, vadin-dRamananiambonitany, teo Fanongoavana
Rafandrandava, vadin-dRamanamihoatrambonitany, ao Ampandrana
Ramasindohafandrana, vadin-dRamanalimananambonitany, ao Ampandrana
Rafandrampohy, vadin-dRasoalimananambonitany, ao Ampandrana

Ankoatra an’Andrianamponga («Ary ny andriana no nanjaka kosa, Andrianamponga», TA, 8) sy ry Rafandrana mianaka mifandimby dia tsy misy nanana vady nisalotra anarana mifandraika amin’ny tany. Efa taonjato maro aty aoriana, vao nisy indray an’Andriantsimitoviaminandriana, vadin-dRaompanananiambonitanimandimby sy
Andriambelomasina, vadin-dRasoherimanananitany. Ao amin’ny TA, 375 dia ahitana ihany koa fa Rasolomanambonitany no vadin’Andriamasinavalona niterahany an’Andrianavalonimerina, izay nomena an’Ambohidrabiby.

Tsiahivina fa Andriamananitany, rain’Andrianamboninolona, no andriana farany «nanana-ni-tany». Notoindro-molotra ho «saonjo mihoatra akondro» moa izy ka dia nahilika hanjakan’Andriamanelo, rain’Andrianjaka.

VANF

 

 

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus