airtel

kolontsaina

11-juil-2022

kolontsaina

TENY GASY Rahoviana ny andro jiosy tsy fiasana handraisan-karama ?

Sample post image

«Mahita volana alohan’i Habiby» hoy ilay fiteny tsianjery, very tadidy ny tena dikany sy ambarany. Dia nisy nihevitra hoe satria «Habib»,

11-juil-2022

Arabo lahy mpanandro ka nahay nijery volana. Fanontaniana kosa : sao «Abib», voaloham-bolana jiosy, no tokony zahana satria dia miteny ho azy tokoa raha hoe «mahita volana alohan’ny Abib».

Nisy kolontsaina jiosy teto fahizay. Tsiahivina vetivety fa ny Torah jiosy no nolovaina ho Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristianina, ary ny fifadiana kisoa arahin’ny Silamo dia fomban’ny Jiosy hiringiriny (Levitikosy 11, 7 ; Deoteronomia, 14,8).

Vao Ra-Lambo (taonjato faha-15) no hoe nahitana ny omby (Tantara Ny Andriana, 147). Satria ny Vazimba, izay mety ho Hindoa-Sanskrity, dia homana lambo (lamboresy no niantsoana ny kisoa) fa tsy nihinana jamoka/omby. Nahoana no ny voambolana indoneziana «lambo» manondro ny «omby» no lasa niantsoana ny «kisoa-dia» ? Nahoana ny voambolana indoneziana «a-su», manondro ny «amboa/alika», no tonga niantsoana ny «ki-sua» ? Ny fadinteny dia fanomezana hasina manokana ny teny iray : «soherina», ohatra, izay nisaloran’ny Mpanjaka Rasoherina (1863-1868), ka nahatonga ny voambolana vaovao hoe «zana-dandy».

Fomba jiosy iray hafa hita taratra eto Imerina, ao amin’ny Levitikosy 21, 1 : «Mitenena amin’ireo mpisorona zanak’i Arona hoe aoka hianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ny fireneny».

Fony maty i James Hastie (18 oktobra 1826) dia nanaitra sady nanafintohina olona maro ny nandehan’ny Mpanjaka Radama «niandry faty» teny Antsahavola : satria Ny Andriana tsy miditra am-paty. Fomba nolovaina tamin’ny kolontsaina jiosy : «Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy satria Andriana eo amin’ny fireneny izy» (Levitikosy 21, 4).

Mbola mitohy anefa ny Levitikosy 21, 5 : «tsy hanasola ny lohany izy (...) aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany». Teto dia manitsy indrindra ny fomba amin’ny fisaonana Ny Andriana ny lazain’ny Levitikosy : ahoana moa Ranavalona (1828-1861) no tsy ho tezitra satria ny fomba amin’ny fisaonana Andriana miamboho dia : miborivolo ny ambanilanitra, dia miala satroka sy tsy miankanjo ny lehilahy, ary miala akanjo ny vehivavy, dia tsy misampina fa miteri-helika ny lehilahy sy ny vehivavy (Tantara ny Andriana, 259). Misy ary ity fanampim-panazavana ity ao amin’ny Tantara ny Andriana : «tsy ampitoviana ny fanao fisaonana ny andriana amy ny fanao fisaonana ny vahoaka ; koa amy ny andriana boriam-bolo, ary ny any vahoaka rakarakam-bolo» (TA, 259 tovana 1).

Nisy kolontsaina jiosy tokoa teto anefa tsy omentsika haja ho andro tsy fiasana handraisan-karama.

VANF


 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap
16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap