airtel

kolontsaina

02-août-2022

kolontsaina

TENY GASY Rovan’Antananarivo no fantatry ny Tantara

Sample post image

Hitako nandalo, fampilazana ampahibemaso fitadiavana izay ho «Conservateur» ny Rova. Rova inona, Rova aiza. Hay, ny Rovan’Antananarivo izay tadiavin’ireo ho ovana hoe «Rovan’i Madagasikara».

02-août-2022

Ny Rova dia Tantara, ary ny Tantara dia tao Anatirova. Ny eto Imerina fotsiny no ho resahako satria, raha mbola tsy nitsimbadika ny Tany ka voan’ny tamberiny isika, dia mbola eto Imerina no misy ny Rovan’Antananarivo.

Rovan’Ambohimanga, Rovan’Ambohidratrimo, Rovan’Antsahadinta, Rovan’Ambohidrabiby, Rovan’Ilafy, sy ny sisa. Tsy ny amontana sy ny aviavy tandra vadi-koditriny ny Andriana ihany, tsy ny endriky ny vohitra mandindona fotsiny, tsy ny firafitry ny manda tsy ravan’ny taona, tsy ny kianja nilaozan-kabary satria nidina namonjy tamboho gasy eny an-tanety ny taranaka sahirana amin’ny rano an-tampom-bohitra, tsy ny Trano Kotona izay efa zary nanjavona : ny maha-Rova ny Rova dia izy foibem-pitondrana, tompon’ny fivavahana, ary Fasan’Andriamanjaka indrindra indrindra.

Ireo rehetra ireo ihany koa ny Rovan’Antananarivo. Tsy analàna, saingy tsy maintsy ampiana satria foibem-pitondran’ilay Fanjakana iray, na dia tsy nahenika ny Nosy sy ny Foko manontolo aza, dia nisalotra imason’ny andafin’ny riaka hoe «Fanjakan’i Madagasikara» : 1817-1897. Rehefa niamboho dia nafenina ao amin’ny Rovan’Antananarivo ny Andriamanjaka hatramin’ny andron’Andrianjaka : Tantara efa-jato taona.

Ny taranja Tantara & Jeografia nilaina nandetika izany an-dohan’ny taranaka, mandra-pahatonga azy, ho Filohan’ny Repoblika, nofoanana dia tsy voasolo araka izay ilaina azy.

Ny Rovan’Ambohimanga sy ny Rovan’Antananarivo ihany no tena niharo, noho ny Tantara voatsiahy etsy ambony. Ny fitanisam-piandrianana, ny Lapa nifamindrana, indrindra ny Masina nisafidy ho afenina any Ambohimanga na dia efa nanjaka tokana Antananarivo : Andrianampoinimerina sy Ranavalona I ary Ranavalona II. Dadabe Andriamasinavalona ihany koa, na dia nametraka ny zanany isam-bohitr’Imerina Enin-Toko aza, dia nisafidy ny «ankibo» tao amin’ny Rovan’Antananarivo.

Voadinika, azo an-tsaina akory ve, izany rehetra izany nialoha izao fitadiavana «Conservateur» izao ? Sarotra angamba ankehitriny no mbola hifanojo indray ny hoe taranak’ireo Andriamanjaka na ny vinanto, tahaka izay nitranga tamin’ny 1964, no «Conservateur» ny Rovan’Antananarivo. Ankoatra ny Lapa malaza, ankoatra ny «Fasan’ny Lahy» sy ny «Fasan’ny Vavy», misy dia misy tokoa ny Fitomiandalana, amin’ny toerany ankehitriny : voahaja tsotsotra ireo, fa mba ahoana kosa ny faritra taloha nisy ny Fitomiandalana fahiny, nialoha ny sotasota sy fanazimbana nataon’i Gallieni tamin’ny martsa 1897, anefa teo avokoa no ny vovo-drazana ?

Tany-Teny -Tantara. Fa olona ho atao inona aloha : hitahiry tokoa ny Tantara sa mpiasan’ny Repoblika hanamboaboatra tantara ?

VANF

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap