airtel

kolontsaina

09-août-2023

kolontsaina

TENY GASY TANTARA, atao sora-baventy

Sample post image

Natao faralahin’asa ny Tantara hany ka tsy misy soratra mba nahafahan’ny Raiamandreny isan-tokantrano nitaiza

09-août-2023

sy nampianatra ny taranaka fara aman-dimby. Tahaka ny nandorana ny ala, nofongorana ihany koa ny boky. Tany hay ny valan-javamaniry tahaka ny maha tany karakaina ny atidohan’ny vahoaka.

Valoambiroapolo taona lasa no nandoran’ny sasany ny Rovan’Antananarivo. Inona moa izany no Tantaran’io Rova io hain’ny ankizy teraka taona 1995 ? Sary diso (tahaka ilay lazaina ho sarin’Andrianampoinimerina mbola aparitaka), laza lainga (hoe Ranavalona Reniny tsy tia fandrosoana satria nanaja ny nentin-drazana), anarana sandoka satria peta-toko izany hoe Rovan’i Madagasikara izany. Handray telopolo taona ankehitriny ny olona teraka tamin’ny 1995 : Tantara inona, soratana ahoana, no nolovainy ka mbola ho ampitainy ?

Marobe ny torapo noho ny alahelo amin’ny zavatra manafintohina ao Anatirova. Ireny torapo ireny no tena ahitana fa very ny Tantara : mifandimby mitanisa diso, mifandika vilana amin’ny efa madilana ho tetenina, ka ny pahina manoro vohana ny jamba. Ny mpitondra indrindra indrindra aza no tokony hianatra Tantara : fa tsy hamoromporona tantara

Ny Fanjakana Andriana merina no narodan’i Gallieni : fa hain’ny mpitondra repoblikana loatra ny Hasin’ny rafi-panjakana Andriana any Vohipeno ; mbola maro mpanatrika ny Fitampoha any Menabe ; raha nankalazain’ny Ministeran’ny Kolontsaina ny «Alahamadibe 1994», vahoaka marobe no nirohotra teny Ambohimanga vohitra nosafidian’Andrianampoinimerina (1792-18&0) sy Ranavalona I(1828-1861) ary Ranavalona II (1868-1882) hanafenana ny tenany rehefa hatrizay hiamboho.

Tenenina ratsy ny Fanjakana-Andriana saingy mbola ny vakoka navelan’ny Andriamanjaka no savihan’ny Repoblika izay tsy nahavanona na inona na inona tao anatin’ny enimpolo taona. Omem-pondro ny Fanjakana-Andriana saingy mbola Manjakamiadana, rafitra vato araka ny nandidian-dRanavalona II azy, no tanjon’ny maso raha mbola eto Antananarivo sy ny tendrombohitra roambinifolo. Nodorana ny Lapan’Ny Andriana saingy tsy may ao am-po. Moa tsy izany izao ifandroritana ankehitriny izao ?

Ka rehefa izany, hajao fara-fahakeliny ny azy. Safidiny Andriamanjaka, taranak’Andrianjaka, na hazo (Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Tsarahafatra, Manampisoa) na vato (Manjakamiadana, Fiangonana) na biriky (Masoandro). Safidiny Andriamanjaka, taranak’Andrianjaka, raha nampiasa ny Vazaha izy : Louis Gros, Jean Laborde, James Cameron, William Pool, H. Rigaud, L. Bouts. Ny tsy safidiny dia ny nitifiran’ny Frantsay tafondro ny Lapa Tsarahafatra, tamin’ny 30 septambra 1895. Tsy safidiny velively ny nametavetan’i Gallieni ny Fitomiandalana tamin’ny 14 marsa 1897. Tsy safidiny mihitsy ny nandrodanana tanteraka ny saika ho Lapa Masoandro ka nosoloina iny dobo nolavahana tao amin’ny fototr’i Masoandro iny ary izao novolena fanaovana teatra izao. Tsy safidiny ny amontana nambolena nanemitra ny tokontany andrefana ka notapahina volana vitsivitsy tsy hahamay ny Rova ka nananganana sampona hoe «tody».

Mila soratana haingana ny tena Tantara dieny mbola tsy may lasa lavenona daholo ny boky, dieny mbola afaka mitantara ny Tranainy, dieny mbola tsy loa-jafy ny ankizy teraka 1995. Ohatra : Avy aiza, niteny inona, nivavaka ahoana, ireo nialoha lalana ny Zafiraminia izay fantatra fa nisampana niakatra Imerina na nanohy Anosy ? Inona no hevitra ankolaky ny tantaran-dRapeto tany Imamo sy Darafify tamin’ny morontsiraka atsinanana ? Iza marina ny Antehiroka, Lehibe talohan’ny nahatongavan’Andrianjaka teo Analamasina-Analamanga, ary mbola nampitondraina satan’Andriana hatramin’ny andron-dRanavalona Reniny ? Nifady omby ve ny Mpitondra sy ny Vahoakany talohan-dRalambo, anarana izay midika hoe «Omby» amin’ny teny indoneziana ? Nihinana lambo-resy tokoa ny Ntaolo ka fomba oviana ireto «fady kisoa» ankehitriny ireto ?

Tantara avokoa izany. Kolontsaina, fianarana isan’andro : «maito Matsiatra» no nifampilazana raha niamboho Rajoakarivony, Mpanjakan’Isandra (nanjaka 1861-1892), fanjakana atsimo-andrefana amin’ny Betsileo, tamin’ny 3 aprily 1892. Na ny «hazomasina» miendrika lakana nametrahana sy mbola nitondrana ny «Masina», na ny omby an-jatony «dika roso», na ny toerana an-tehezana-harambato ao Ambatan’Isandra misy ny Ihombina sy Vohitsisaky nanafenana an-dRajoakarivony II tamin’ny 17 desambra 1892, dia hita soritra any amin’ny Foko Tôraja any Indonezia. Ny dikan’ny hoe Tôraja hono dia «mponin’ny havoana»...

Koa, satria efa manjary liana Tantara sy lasa saro-piaro amin’ny Kolontsaina avokoa, ndao hatsangana ny «Corps des Administrateurs Culturels». Tahaka ny isian’ny «Administrateur Civil» satria saro-pady ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tahaka ny isian’ny «Agent Diplomatique et Consulaire» mba tsy hitsanga-menatra anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Tahaka ny isian’ny «Inspecteur des Impôts» satria tsy misy tetibolam-panjakana raha tsy misy vola miditra amin’ny Fanjakana.

Dia atao «Androm-pirenena hanandratana ho anakandriamaso ny Kolontsaina» isaky ny 6 novambra.

VANF


 

Dans la même rubrique