airtel

kolontsaina

01-déc-2022

kolontsaina

TENY GASY Tantara Ny Andriana : tsy raisika ara-bakiteny

Sample post image

Liana Tantara ny olona, fa ny boky ho vakiana no tsy misy loatra. Ny fampianarana Tantara tany an-tsekoly ihany koa nisafosafo fotsiny.

01-déc-2022

Ny ahy, ohatra, tsy mba izay natao tsianjery tany an-tsekoly no nitiavako Tantara fa ny fitsangatsanganana niaraka tamin’ny Rainay, dia sady mandeha izy no manondro tondro-mondry izay vohitra tazana dia manome fanazavana kely.

Tsy mba namaky ny Tantara Ny Andriana (tsiahivina hatrany : lovantsofina nangonin’ny François Callet (1822-1885), Mompera jesoita nahavatra nitety faritra maro teto Imerina nandritra ny siviambinifolo taona (aogositra 1864 - mey 1883) ny Rainay, raha ny fantatro, saingy mahagaga fa ny Tantara hainy, izay inoako fa lovantsofina tamin’ireo raiamandreny nitaiza azy (ny Rain-dRaibeny dia isan’ireo nanorina ny Fiangonana protestanta Ambohidratrimo tamin’ny taonjato faha-19), dia mifanojo amin’ny sasany voarakitra ao amin’ny Tantara Ny Andriana.

Isan’ny mahazendana amin’ny fiaraha-monina, tahaka ny an’ny Ntaolo, dia io fahaizana mitadidy lovantsofina io. Talohan’ny taonjato faha-19 mantsy dia tsy nisy soratra ankoatra ny sorabe tany amin’ny Antemoro. Raha ny teto Imerina, Raombana no Malagasy (mbola tsy Malagasy no niantsoantsika ny fitambaran’ny isam-poko isam-pirenena talohan’ny Fanjakan-dRanavalona Reniny) voalohany namela soratra. Nataony tamin’ny teny anglisy izany noho ny tahotra izay mety tsy fankasitrahan’ny Mpanjaka sy ny Lehibe.

Ny Tantara Ny Andriana ihany koa, tsy araky ny fiheverana matetika hoe manome vahana ny mpitondra tamin’ny taonjato faha-19, indrindra fa ireo taranak’i Rabodonandriantompo (amin’ny Andriana) ary ny Andafiavaratra taranak’i Rainiharo (amin’ny Hova) : voazavan’i Alain Delivré fa vitsy ihany (efapolo na enimpolo isa) no natonta tamin’ny Tantara Ny Andriana satria tsy nankasitrahan’ny Praiministra Rainilaiarivony loatra ny famohazana ny lasa. Azo inoana, fa tsy fantatr’i Ranavalona II sy Rainilaiarivony ny vontady ao anaty Tantara Ny Andriana.

Marihiko fa tsy raisina ara-bakiteny izay rehetra voasoratra ao amin’ny Tantara Ny Andriana. Misy «thèse de doctorat» goavana, nataon’i Alain Delivré tany Paris tamin’ny 1968 : mbola tsy nisy nahavita famakiana-tsikera ny Tantara Ny Andriana tsara kokoa noho io, izay zary lasa tsangambato, ary azo zohiana amin’ny lohateny hoe «Interprétation d’une tradition orale».

Ankoatra ny asa-soratra fanadihadiana maro efa nifandimby hatramin’ny nanontan’ny Akademia Malagasy indray ny Tantara Ny Andriana, dia misy voka-pikarohana ara-tsiansa (archéologie, linguistique, génétique) tsy azo ihodivirana : sarotra ny mbola hino ilay filazana hoe «tantara miafina» rehefa tapitra voavadiky ny siansa ny bainga rehetra. Ny fihavanana akaiky amin’ny teny gasy sy ny teny barito atsimo-atsinanana (Dahl, Adelaar), ny fitombon’ny arina nataon’olombelona tao Tritrivakely-Vakinankaratra (taona 600 taorian’i J.-K.) sy tao Kavitaha-Itasy (taonjato faha-8) (Burney), ny lalana sy tantaran’ny zavamaniry talohan’ny taonjatao faha-16 (Beaujard)...

Sombiny ihany ireo. Mbola tsy vita ny Tantaran’ny Ntaolo. Mbola misy handanian’ny taranaka ron-doha sy androm-piainana.

VANF
 

Dans la même rubrique