Zavatra kely mantsy dia efa mety fanafintohinana. Ary ezaka mbola bitika kokoa dia efa fanamorana lehibe ny fifandeferana.
Io tsofoka «IF» io, araka ny fiantsoana azy amin’ny tsipelin-teny, dia kely mahavita be tokoa. F-IF-anajana, F-IF-andeferana, F-IF-ampitsinjovana. Atero ka alao ny tsofoka «IF», ka izay tsy tiako atao amiko, dia tsy ataoko amin’ny hafa.
Kodiaran-tsarety : raha eo amin’ny fitondrana aho androany, misy toetra fadiako, satria tsy ho tantiko atao amiko raha sanatria ka Lehiben’ny mpanohitra aho rahampitso. Ny hoe «tsindrio fa lavo», «ampihi-mamba», «i-tsi-mahalala-kely» dia tena fady ! Maharava fanjakana amin’ny tsy midy dikany. Ilay hoe «m-IF-ampitsinjo» dia tsy inona akory fa «f-IF-ampizarana» ara-drariny. Ara-drariny satria tsy misy izany hoe fitovian-tsaranga izany, fa nofy kominista nandamoaka, nanomboka 1917 ary nampihomehy nampalahelo tamin’ny 1989, rehefa narodan’ny olona ny rindrin’ny paradisa sosialiste tao Berlin.
Iza no tokony hamerina ny fahalalam-pomba ? Izaho, ianao, isika. Tsaroana, fony mbola mpianatry ny Jesoita ny tena, telopolo taona lasa tany ho any, nisy fotoana manokana natao hianarana ilay hoe «éducation civique» tany an-tsekoly. Ny fanabeazana ankoatra izay moa dia anivon’ny fianakaviana sy ny raiamandreny niteraka no niainana isan’andro.
Ny fahalalam-pomba dia tsy inona loatra fa fihetsika atao raiki-tampisaka : tsy mandrora, tsy mandrehoka, tsy manisindelo, tsy manditsaka, tsy manao maloto, eny rehetra eny ; tsy mivazavaza raha miresaka ; tsy mitabataba lavareny raha faly ; tsy manelingelina ny hafa ; tsy mibahan-dalana fa maka sisiny ; tsy mivalampatra mibahan-toerana ; tsy manao fipetraky ny tsy manan-kavana ; tsy mibodo ny kianja iombonana ; tsy manao ho tokontany ny arabe ; tsy mitsipalotra any amin’ny mpifanao vodirindrina.
Raha ireo fotsiny no voatandro amin’ny fiaraha-monin’olon-tsotra, dia hilamina araka izany ny lamina politika : olon-kendry samy tsara taiza.
Ankehitriny, sanatria ka izay jiolahim-boto fiaina no olo-malaza. Ireo lasa mpanan-karena tampoka tamin’ny halatra andramena (bois de rose e, fa inona indray moa) ; ireo mpanongam-panjakana miseho azy ho mpampihavam-pirenena rehefa vita ny ditra natao ; ireo manam-boninahitra (voninahitra inona leitsy no an’ialahy nitondra henatra ho an’ny Tafika sy Zandary !) niova fo ka izy indray no toa hampianatra ny fitsipika «f-IF-ampifehezana» sy an-tanan-tohatra «f-IF-ampitondrana».
Inona moa no tena asan’ny solombavam-bahoaka ? Maninona raha ampiandraiketiny azy ireo ny «f-IF-ampitaizana» ifotony : tsy maintsy miverina any amin’ny fari-pifidianany avy, ka asaina manangana sehatra fitaizana sy fanabeazana : «ny demokrasia dia f-IF-anajana» (fa tsy fanaovana bodongerona), «ny Repoblika dia voninahitra IF-anomezana» (fa tsy fanompoana na fanandevozana), «ny antenimiera dia f-IF-andresendahatra» (fa tsy fividianana olona na fiavarotan-tena). Fomba tsotra, saingy adino. Tanisaina indray, alatsa-paka, hifandovana.
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny