airtel

kolontsaina

21-oct-2022

kolontsaina

TENY GASY Taxibe, vélo-taxi, cyclo-pousse : fitateran’ny fahantrana

Sample post image

Ny fahantrana no niteraka ny taxibe. Hatramin’ny taona 1970-1980, mbola nisy soa aman-tsara ny «autobus». Nahay nanaja «arrêt» ny olona ;

21-oct-2022

nahay nifanaja ny mpandeha rehefa misy ny «toerana voatokana» ho an’ny raiamandreny (mbola nisatroka sy nitafy lamba) na ny mitondra vohoka, na ny mitrotro zazakely ; nahay nanaja ny asany sy ny mpandeha ny orinasa sy ny mpamily.

Faramparan’ny taompolo 1980, izahay nianatra teny Ankatso, efa taingimbe ankisisika tsy nisy fanajana filaharana intsony ny «bus» Antafita. Efa nanomboka kelikely nialoha izany koa ny ho antsoina hoe «taxibe» taty aoriana : 404 sy 504 familiale, Ford Transit, Renault Trafic, Peugeot J5, Citroën C25, izay vao nanomboka tonga ny «minibus» avy any Japana (saika very anarana hoe «Mazda» moa ny «minibus»). Ny nitovizan’izy rehetra anefa dia ny tsy fanajana ny isan’ny seza voafaritry ny «carte grise» : raha toerana tokony ho fito, nampidirana «mandroso-mihemotra» folo.

Nikimpy avokoa : ny tranom-piantohana, ny polisy, fa indrindra ny mpandeha. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fanimbana ny fampianarana ireny fanazarana ny olona tamin’ny «zara fa» sy ny «sitrany ahay» ireny. Nihena ny fitakiana «kalitao» (izay teny mbola tsy noforonina tamin’izany andro izany) ka nanjary tsy nisy nandeha tamin’izay laoniny (avy amin’ny teny frantsay hoe «à l’aune») intsony ny zavatra maro : fampianarana, fitaterana, fiaraha-monina.

Taona 2000 no ho mankaty, mbola ny fahantrana ihany no mamaritra manontolo ny fitaterana, indrindra eto an-dRenivohitra. Ny ankamaroan’ny taxi, efa tena mikorontana fa dia hiafiana sisa, zara aza mbola afaka mandeha. Sitrany ahay koa mba fidiram-bola ho an’ny fiaraha-monina «mifampitsinjo».

Ny taxibe, satria tsy ny rehetra ihany koa no mahatakatra taxi, dia efa mampiteny ny moana isanandro : tsy maha afa-po fa dia io aloha no misy mandra-paha. Firifiry anefa, anjatony maro, ny taxibe mameno ny fifamoivoizana ka mahatonga fitohanana, dia teraka indray koa ny hevitra hanao «taxi-moto». Haingana noho ny taxibe, mora noho ny taxi. Fa mbola misy mora noho izy, dia ny «vélo-taxi» izay mety malaky kokoa noho ny taxibe raha handeha Anosy hatreny Anosizato.

Nisy «posy» sy «voatirin-tsoavaly» ihany koa teto fahiny. Mbola nahita «voatiry» tao ambadik’Anosizato amin’iny lalana mankany Ankadivoribe iny aho, nisy fotoana. Ny tanàna manodidina an’Antananarivo-Renivohitra moa tsy efa niverina amin’ny «cyclo-pousse» ? Satria ireny no zakan’ny fahefa-mividy.

Nisy fotoana, efa fiara avokoa no nanatitra sy naka ireo entan’ny tsena alakamisy etsy Mahamasina : noho ny fahantrana vaovao, nateraky ny «Tolom-bahoaka» ka nikatonan’ny orinasa maro, dia miverina ny «sarety-olona» fa tsy mba saretin’omby akory.

Izany rehetra izany ny «fitateran’ny fahantrana», eto Antananarivo sy ny manodidina. Mampiongo-bolo isan’andro izay Ben’ny Tanàna mba te hiaina amin’ny taonjato faha-21. Ny fahantrana anefa tsy Antananarivo-Renivohitra no mamboly azy. Ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana, tsy Antananarivo-Renivohitra no misakana azy. Anefa dia Antananarivo-Renivohitra no mizaka ny efa tsy eran’ny ainy.

Izay «bajaj» sy «France-Rider» ekena hiditra ny seranana, any Toamasina sy any Mahajanga, dia mitady lalana hisisika ihany koa eto Antananarivo-Renivohitra. Hadisoan’iza : an’ny Governemanta, an’ny «importateur», an’ny fahantrana ? Ho ekena eto Antananarivo-Renivohitra avokoa izao tsy manjary rehetra izao satria «fitadiavana» izay efa hanempotra sy hanakenda mihitsy anefa ilay Renivohitra ?

Dia vita tsianjery ilay «Fiverenena» : Ny fahantrana tsy Antananarivo-Renivohitra no mamboly azy. Ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana, tsy Antananarivo-Renivohitra no misakana azy. Anefa dia Antananarivo-Renivohitra no mizaka ny tsy eran’ny ainy.

VANF

 

 

 

Dans la même rubrique