airtel

kolontsaina

23-juin-2022

kolontsaina

TENY GASY Tompon’ny taona telo arivo

Sample post image

Isan-taona izao, manafintohina ny maheno fa misy tambin-karaman’ireo Mpampianatra nitsara ny CEPE tsy voaloa. Efa an-taona maro.

23-juin-2022

Mifanindran-dalana anatin’ny vanim-potoana ririnina moa ny fanadinana CEPE sy ny matson’ny 26 jona etsy Mahamasina. Volabe no lany amin’ny matson’ny Tafika sy ny afon-danitra hampifalifaliana ny maso sy hanarian-dia ny sain’ny vahoaka. Etsy andaniny, tambin-karama variraiveny mbola tsy omena ihany ny Mpampianatra. Ireo sary roa ireo dia efa mahafehy ny zava-misy sy ny «vina» ho an’i Madagasikara.

Ny CEPE no fanadinam-panjakana voalohany atrehin’ny zaza Malagasy manerana ny Nosy. Marobe (546.365 tamin’ny 2021, 525.111 ity taona 2022 ity) ny mpianatra no misoratra anarana amin’ny CEPE. Ny ampahatelony amin’ireo ihany no ho tonga any amin’ny bakalorea (196.024 tamin’ny 2021). Inona anefa no asa azo andrandraina raha CEPE fotsiny no mari-pahaizana ?

Izay ilay fanovana nokasain’ireo Lalàna roa sosona (2004-004 tamin’ny 26.07.2004 sy 2008-011 tamin’ny 17.07.2008) : hanome fanabeazana fototra feno mandritra ny SIVY taona (2004) na FOLO taona (2008), ka ny zaza (14-15 taona) tsy afaka hanohy hatrany amin’ny bakalorea dia hanana ny fahalalana ampy ho fitaovana mahomby hiatrehana ny fiainana.

Amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara, sesehena ny antony mety tsy hanohizan’ny mpianatra iray ny fianarany. Isan’ny matetika indrindra dia ny fahasahiranan’ny raiamandreny hiantoka ny kely indrindra izay tsy raisin’ny Fanjakana an-tanana akory, amin’ny fametrahana vatsim-pianarana dieny Fanabeazana Fototra.

Fanabeazana sy Fampianarana no antoka mahatoky indrindra ny ho avin’ny firenena iray. Tsy omena hasina sahady anefa ny Mpampianatra : vao hitsara ny CEPE, na mpampianatra eny amin’ny Oniversite. Tsy nitsahatra namono tena isika tao anatin’izay efapolo na dimampolo taona farany izay. Tsy maintsy hisy «tompon’ny taona telo arivo», fa asa raha mbola isika Malagasy ihany no ho tompony eto an-Tanindrazana.

VANF
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap