airtel

kolontsaina

18-août-2023

kolontsaina

TENY GASY Tsabo-tokana ny fifidianana Filoha

Sample post image

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

18-août-2023

Tsabo-tokana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Misy anefa karazana kandidà tsy hanaiky mihitsy raha tsy izy no lany, ka zarany ho averina indroa, intelo, impolo, ny fifidianana mandra-pivoakan’izay tsabo-tokana maha afa-po azy izay.

Andeha ny fifidianana nanahirana farany no resahana. Ivereno vakiana anie ny gazety tamin’ny 2001, volana vitsy nialoha ny fifidianana Filohan’ny Repoblika faramparan’io taona io. Vitsy no nahatsikaritra fa tapa-taona mialoha ny fifidianana no nomasahana tao an-tsain’ny maro ny hoe «Premier Tour dia Vita» (fa tsy mila fihodinana faharoa).

Andaniny, ireo olona vonton’anatra «Premier Tour dia Vita» ireo dia nanjary nino tena nino izany «nofy» izany. Ankilany ihany koa moa ny fitavozavozana sy tandrevaka ary kitoatoa madinika teo amin’ny fandaminana. Manginy fotsiny ny fe-potoana ela loatra namoahana ny voka-pifidianana.

Tsaroana ihany koa tamin’ireny fa nanangana birao manokana mihitsy ny kandidà Marc Ravalomanana : io «Komity miaro ny safidim-bahoaka» io dia niasa tahaka ny Ministeran’ny Ati-Tany mihitsy ka nanangona ihany koa ny voka-pifidianana. Saingy ny azy, navoakany isan’andro, ary haingana kokoa noho ny an’ny sampandraharaham-panjakana. Ankoatra iretsy olona efa vonton’anatra «Premier Tour dia Vita», dia tonga nanatevin-daharana indray ireto olona velon’ahiahy be ihany, gaga na sosotra amin’ny fomba fiasan’ny Ministeram-panjakana.

Iaraha-mahalala fa raha ny alin’iny ihany dia fantatra ny vokatra feno eto Antananarivo-Renivohitra, voatery andrasana herinandro maro vao tafakatra ny voka-pifidianana manerana an’i Madagasikara. Matetika ihany koa, ny mpanohitra hatrany no mandresy eto An-dRenivohitra sy amin’ny Tanan-dehibe : ireo anefa no mahatonga voka-pifidianana voalohany, ka ireny voka-pifidianana vonjimaika ireny no «matoam-baovao» mandritra ny andro maro : mitarika «lavitra», 75% (na dia amin’ny vokatra 5%, «monja»)...

Ankoatra ny vonton’anatra sy ny be ahiahy, miampy indray ny «mpanara-baovao» ny laharan’ny «Premier Tour dia Vita». Rehefa ela ny ela, indrindra fa raha mangataka andro loatra ny HCC (nahazo tsiny foana ny HCC) sy ny CENI (mpandova ankehitriny ny ahiahy tsy nihavanana hatrizay), dia maha-henika ny kianjan’ny 13 mey ny isan’ireo...

Mbola tsaroana ihany koa ireo Fanambarana misesisesy navoakan’ny KMF-CNOE, mpanara-maso ny fifidianana, tamin’ireny taona 2001-2002 ireny. Nahagaga, tamin’ny fanambarana faramparany nataony, fa dia sahiny ny nilaza ren-tany ren-danitra hoe «Premier Tour dia Vita» tokoa raha ny 75% ny voka-pifidianana ihany anefa no mbola teo am-pelatanany. Vonton’anatra mialohan’ny fotoana + fatra-piahiahy + «mpanara-baovao» + mpanara-maso mitanila + miampy mpanao politika mpandrehitra afo = mira Rotaka.

VANF

 

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap