Multi-traing center Madagascar», izay ivontoerana fianarana teny vahiny sy informatika ary ny mikasika fikirakiràna tekinolojia toy ny «bureautique» sy «développement web» ho an’ny sokajin-taona samihafa. Nisy, noho izany, ny fizaràna mari-pahaizana sy fankasitrahana ho an’ireo nahavita fiofanana tao anatin’izay herintaona nitsanganan’ny ivontoerana izay. Ny ankizy afaka mibadabada amin’ny teny vahiny dia efa afaka mahazo fiofanana ato, hoy ny talen’ny fampiofanana, Faneva Nasandratra Nathanaël Rakotonindriana. Ny ankizy manomboka mikitikitika informatika, izany hoe, eo amin’ny faha 8 taonany eo dia efa afaka mahazo fiofanana momba izany ihany koa, hoy izy. Maromaro moa izay notolorana mari-pahaizana na «attestation» izay. Tsy afa-misaraka amintsika intsony ny teny vahiny sy tekinolojia satria ny ankamaroan’ny asa rehetra amin’izao fotoana izao dia saika ilàna fifandraisana iraisampirenena avokoa, izany hoe, mila fahaizana teny vahiny. Ny tekinolojia ihany koa efa miroborobo be, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
Tonga eto Madagasikara indray i Chris sy Laura CHRISTENSEN, mpamorona ny tarika Exo.
Hoavy amin’io volana may io ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava, hoy ny filohan’ity antoko mpihira ity,