Hofan-trano 2 taona no mbola tsy naloany
Teratany vahiny iray no nibodo toerana iray fotsiny izao etsy Behoririka, akaikin’ny tranombarotra CITIC, ary hatramin’ny novambra 2024 ka hatramin’izao 2026 izao no mbola tsy nandoa ny ofan’ny trano na ny Ariary aza, hoy ny fanazavàn’ny tompon’ny toerana. Nangataka andro na fe-potoana fanampiny hatrany ity vahiny ity handoavana izany hofan-trano izany nefa tsy mbola nandoa izany mihitsy, hoy ny fanazavàna voaray ny faran’ny herinandro teo. Talohan’izao dia nilaza tamin’ny tompon-trano ny tompon’ilay orinasa nanofa ity toerana ity fa noho ny tsy fahasalamàna nahazo azy dia hitsabo tena atsy amin’ny nosy rahavavy La Reunion izy ka noho izany dia ho atsahatra ny fifanarahana na «contrat de bail» ary asainy ho averin’ilay teratany vahiny teo amin’ny tompony ny fanalahidy ny desambra 2024. Nitohy nampiasa ny toerana ihany anefa ilay teratany vahiny no sady nandoa ofan-trano mihitsy. Hatramin’ny jona 2024 no efa nifanaraka fa hialàna ny toerana rehefa mitsahatra ny fifanarahana. 2 taona tsy nandoa ofan-trano izany ity teratany vahiny ity. Voalaza fa efa fomban’ity vahiny ity io mibodo tranon’olona io tany amin’izay nitoerany rehetra. Rehefa leon’ny fomba ratsiny, noho izany, ireto tompon-toerana ireto dia nangataka fanilihana azy teny anivon’ny fitsaràna ary dia notontosaina ny faran’ny herinandro teo izany didy raikitra izany. Nesorina avokoa aloha ny entan’ilay teratany vahiny ary ny fitakiana ny hofan-trano tsy nefainy indray no dingana manaraka, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija