indray no solontena malagasy mandritr’ilay fifaninanan-kira iraisampirenena The voice ho amin’ity taona 2023 ity. 37 taona ny lehilahy. Ilay hiran'i Demi Lovato mitondra ny lohateny hoe "Anyone" no nentiny nambabo ny fon'ny mpitsara nandritry ny dingana savaranonando na “Audition à l'aveugle”. Mpitsara miisa 3 no resy lahatra tamin'ny feo mangan'ny lehilahy. I Big Flo sy Oli kosa no nofidiany hiaraha-miasa mandritry ny fifaninanan. Natolotr'i Sydney Ferrier ho an'ny reniny ihany koa ity hira nohirainy voalohany tao amin'ny The voice ity raha ny nambarany. Ny reniny izay niady irery, nitaiza azy 4 mianadahy mpiray tampo, hoy hatrany izy, rehefa nisaraka ny ray aman-dreninay, efa taona maro izay no lasa.
J. Mirija
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.