airtel

kolontsaina

10-août-2026

The Voice Afrique

Tafita amin'ny famaranana i Val

Sample post image

Noporofoin'i Val

10-août-2026

na Valimbavaka Herimanjaka Razafimahefa amin'ny anarana feno, fa tena mahay mihira sy misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Malagasy. Tafiditra amin’ny famaranana The Voice Afrique izy, taorian’ny nandreseny tamin’ny dingana K.O. tao amin’ny ekipan’i Meiway. Tamin’ity dingana ity dia nandray ny hira « Lose Control » an’i Teddy Swims i Val, izay nahazoany ny fankatoavan’ny coach-ny ka nahafahany mandroso amin’ny dingana manaraka. Nandritra ny fifaninanana, nampiavaka azy ny fampifangaroana ny gadona pop sy RnB, ny fahaiza-manao maro samihafa ary indrindra ny fahaizany mampita fihetseham-po. Nifarana ny faran'ny herinandro teo kosa ny dia ho an’i Faith Madagascar, ary i Tojo Emilio dia efa nihjntsana tamin’ny herinandro lasa. Hatao any Côte d’Ivoire ny famaranana, ary efa misokatra ny latsa-bato ho an’ny Val amin’ny alalan’ny rohy ofisialy: can.al/3h11. Ny safidin’ny Malagasy sy ny mpankafy eran-tany no isan'ny hamaritra ny vokatra amin’ity dingana farany ity. Tsiahivina fa efa nisy fandresena lehibe azon’ireo Malagasy teo aloha izay manamafy fa mahay isika. Mpankato Malagasy dia i D-Lain no nandresy tamin’ny Castel Live Opéra tany Cameroun tamin’ny 2012, fifaninanana lehibe nahitana mpifaninana an’arivony avy amin’ny firenena maro. Tamin'ny taona 2014 dia nandray anjara tamin'ny fifaninanan-kira "Island Africa Talent" tao Abidjan Côte d'Ivoire i Denise ka izy no nivoaka mpandresy. Azo heverina sy inoana fa Malagasy indray no hibata ity The Voice Afrique any Côte d'Ivoire ity. Mbola Malagasy ihany koa dia i Marghe no nandresy tamin’ny The Voice France tamin’ny 2021, tao amin’ny ekipan’i Florent Pagny, ary nahazo 68%-n’ny vato tamin’ny famaranana. Ampahany ireo fa maro ireo mpanakanto sy talenta Malagasy efa nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin'ny fifaninanana goavana toa an-dry Les Surfs, Rajery,... Val indray indray izany no mitondra fanantenana lehibe amin’izao fotoana izao, ary manaporofo fa tsy mitsaha-misongadina ny talenta Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka hanentanana ny rehetra haneho firaisankina sy fiaraha-mientana hanohana azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique