airtel

kolontsaina

16-avril-2024

THIERRA BRUNO

Hankalaza ny faha-70 taonany

Sample post image

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

16-avril-2024

dia efa milamina ny fahasalamany amin’ny ankapobeny ankehitriny. Hankalaza ny faha-70 taonany izy amin’ity taona 2024 ity ka hisy ny hetsika goavana entiny hanamarihana izany. Hisy ny cabaret hotanterahiny eny amin’ny Espace Nambinintsoa ny datin’ny 21 Aprily ho avy izao, izay daty hankalazany ny tsingerin-taona nahaterahany mihitsy. Ho avy hampiara-peo sy hanohana azy mandritra izany ny tarika Kougar izay tsy iza fa ny zanany lahy ihany, fantatry ny maro tamin’ilay hira hoe : Fafao ny tokontany. Ho avy eo ihany koa ry Nanie, Mahery, Luc,….Haneho ny talentany mandritra izany ihany koa ry Nambinintsoa Orchestra ahitana andry Dokotera Rado sy ny namany. Raha fehezina dia hafana ny lanonana mandritra io alin’ny 21 Aprily ho avy izao io koa hanasana ireo mpankafy an’i Thierra Bruno rehetra. Tsiahivina moa fa anisan’ny mpanakanto tena be mpankafy indrindra i Thierra Bruno. Anisan’ny nahafantarana azy ny fahaizany milalao fihetsem-po tao anatin’ireo karazan-kira nohirainy sy noforoniny izay tantara marina sy niainan’ny manam-pitiavana rehetra ny ankamaroany.
Pati
Legende : Thierra Bruno tamin’ny fahatanorany !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap