airtel

kolontsaina

06-mai-2026

Tohin’ny fahamaizan’ny

rovan’Ambohidratrimo «Voaota fady ny rova,

Sample post image

hisy zavatra hiseho…»

06-mai-2026

Rehefa may ny rovan’Ambohidratrimo dia hisy zavatra hiseho izay eto amin’ny firenena, hoy ny taranak’Andriana avy amin’ny mpanjaka Ratrimo, izay isan’ny nanjaka tao amin’ny lapan’Ambohidratrimo Marovatana, Mihari-Ni-Rencho. Voaota fady ny rova, hoy izy. Toy ny tsy mahagaga ihany raha may ny rova satria vakoka izany fa tsy doany. Lasa nisy namadika azy ho doany nefa ao izao. 50 taona lasa izay, isan’ny nilalao tao an-toerana izahay. Fantatray ny fombafomba ao. Izao lasa nisy nanova hoe vao miditra ny vahavahadin’ny rova dia mila manala kiraro. Taiza teto Madagasikara no nisy vao miditra rova dia manala kiraro? Fasan’ny mpanjaka Ratrimo ihany no ao izao. Zanabohitra hafa no misy an-dry Rambolamasoandro sy ny hafa. Ratrimo na Rakotonanahary na Ikotomaditra na Ravorombato no anarany. Betsaka moa eto no manao savin-tsaranga. Ny vohitra dia manana taranaka sy zanaka. Misy ny tompom-bohitra. Tsy hoe ny olona avy any amin’ny sisiny any, na andriana aza, dia hilaza ho tompony. Ny tompony voalohany dia ny zana-bohitra eo amin’ilay tanàna. Ny zanak’Ambohidratrimo izao dia misy andriana zanany. Taranak’i Ratrimo ireo. Ireo no tompon’ny vohitra ka tokony hitantana ny rova. Afaka mametraka olona izy satria misy ny atao hoe andriamanjaka sy mpisorona ary mpanatanteraka. Misy olona tsy fantam-pihaviana antsoina hoe Betsimihisatra, izay tsy hita tao amin’ny tantaran’Ambohidratrimo akory, kanefa izao dia lasa mitantana ny rova. Hamoromporonan’izy ireo sarintsarin-javatra ao izao. Lokolokoiny mena daholo ny vato. Hatramin’ny dian-tongotr’i Rapeto aza nakisaka. Lasa misy sarina kintana sy volana ohatran’ny marika arabo amin’ny vato fikabarian’ny mpanjaka. Misy ireny sarisary boribory ohatran’ny fanaovana «ésotérisme» ireny. Misy zavatra tsy nisy nandritry ny 50 taona lasa misy ao. Efa niara-nivory tamin’ny vovonan’ny Andriana eto Imerina na Imerina 6 toko izahay. Niara-nanapaka izahay fa akatona aloha io rova io. Ny taranaka no tokony ho tomponandraikitra voalohany misahana an’io. Nangataka any amin’ny minisitera izahay mba ho amboarina ny valabe. Io no misy ny vato masina fikabarian’Andrianampoinimerina. Lasa ivelan’ny tamboho io izao. Toy izany koa ny vaton’i Rakotomaditra. Tokony ho ao anatin’ny tamboho daholo nefa izany ka ny famerenana an’izay aloha izany no tokony atao voalohany ary tsy maintsy diovina io rova io. Mila alàna fady io vakom-pirenena io. Nisy tranobe ho an’ny mpanjaka izay nanjeràn’ny anglisy baomba dia potika teo. Hatreto dia ny trano manara aloha no hita eo amin’ilay rova, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mai-2026

Hiditra amin’ny andiany faha 4

Card image cap