airtel

kolontsaina

18-nov-2026

Tontolon'ny

kabary

Sample post image

Namoaka ny andiany

18-nov-2026

Misandratra” miisa 32 ny Fi.Fa.Mi
Mpikabary miisa 32 nandrafitra ny andiany “Misandratra” no navoakan'ny Fikambanana Fandrotarana Mikabary (Fi.Fa.Mi) ny sabotsy 14 novambra 2026, teny amin'ny Espace Behenjy Itaosy. Lanonana teo ambany fiahian'ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambanivohitra Itaosy, Rasolofo Haja. Nahitana sokajin-taona maro ireo mpiofana, ka 14 taona no zandriny indrindra ary 72 taona kosa no zokiny indrindra. Naharitra valo volana ny fiofanana natrehin'izy ireo, izay nifantoka tamin'ny fandalinana sy fampiharana ny kabary malagasy. Araka ny fanazavana nomen'ny tomponandraikitra, efa namoaka mpikabary matihanina maro ny Fi.Fa.Mi nandritra izay taona maro nijoroany, noho ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan'ireo mpampiofana ao aminy. Efa enin-taona izao no nijoroan'ny Fi.Fa.Mi. Ary Jaona Randrianasolo no filoha mpitantana, Rakotonjanahary Joh no filoha mpanorina, ary MiAina Fenosoatoavina no talen'ny fampianarana sady mpikarakara ny famoahana mpikabary. Tanjon'ny fikambanana ny hanandratra ny soatoavina malagasy sy hampiroborobo hatrany ny tontolon'ny kabary. Nomarihin'izy ireo fa ilaina ny fahaizana mandaha-teny sy ny fahafehezana ireo hanitra nentin-drazana, satria anisan'ny fitaovana lehibe mampivoatra ny tena izany, na eo amin'ny fiainana andavanandro na mandritra ireo vanim-potoana manan-danja eo amin'ny fiarahamonina. Mbola mandray mpianatra hatrany ny Fi.Fa.Mi ho an'ireo maniry hampitombo fahalalana sy hahay kabary. Misokatra ihany koa amin'ny fiaraha-miasa isan-karazany ny fikambanana. Ho an'izay liana dia azo arahina ao amin'ny pejy Facebook “MiAina Fenosoatoavina II” na antsoina ny laharana 034 31 587 40. Any Itaosy no foiben-toerany, ary misy sampana fampiofanana ihany koa eny Andranonahoatra, Andoharanofotsy, Ambatoroka, Anosizato ary Anosibe.
Toky R
 

Dans la même rubrique