airtel

kolontsaina

31-août-2021

kolontsaina

Tontolon’ny Ba gasy Nodimandry i Gaston Andrianony

Sample post image

Misaona ny tontolon’ny mozika Ba gasy satria dia nodimandry omaly maraina teo amin’ny faha 85 taonany ny isan’ny tompon’izany bahan-kira izany fahavelony, Gaston Andrianony.

31-août-2021

 Azo lazaina ho kintan’ireo mpihira kalon’ny fahiny ihany koa izy ary niara-niasa akaiky tamin’ireo mpiangaly izany indray nihira taminy toa an-dry Salomon tao amin’ny tarika Kintana telo sy ry Biry tao amin’ny tarika Ny Railovy. Isan’ireo efa nampindramina ireny kantony ireny sy nihira izany tamin’ny fombany ihany koa, ohatra, I Nini ao amin’ny tarika mpiangaly Rock Malagasy, Kiaka izay zanany moa. Namela mpitondra tena sy kamboty 5 mianadahy moa Ratompokolahy ary mipetraka ho tantara kosa ny mamy napetrany tao anatin’ny kantony noho izao fahalasanany izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap