Mpanoratra ihany koa izy ary tsy nitsahatra ny nanao izany na dia efa 71 taona aza, mampahafantatra ireo taranaka faramandimby ireo karazana kolontsaina tokony ho fantany fa tsy ho variana fotsiny amin’ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ny nampalahelo anefa dia nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny faran’ny herinandro teo Itompokolahy. Anisan’ny asa goavana mbola niantsorohany talohan’izany ny nitantara angano Sakalava sy Antakarana tamin'ny haino aman-jery maro tamin’ireo ankizy sy tanora any an-toerana, lovan-tsofina anisan’ny manana ny maha-izy azy eny anivon’ny fiaraha-monina no sady mbola azo hitaizana tsara ny ankizy ihany koa. Tao anatin’ny alahelo tanteraka no nandrenesan’ny rehetra izany. Tsiahivina moa fa filohan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ao Antsiranana ihany koa Itompokolahy. Mpandalina Kolontsaina ary efa niasa tao amin'ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina tany an-toerana ihany koa izy. Anio no alevina any amin’ny fasan-drazany any Antsakoamanondro Ambanja Antsiranana ny nofo mangatsiakany. Mirary fiononana feno ho azy sy ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana.
Pati
Tontosa omaly tetsy amin’ny Tranom-bokim-pirenena etsy Anosy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky