amin’ny faha-47 taonany i Raoel Brice MiCk Angelo Mikakely, mpitendry « guitare bass » na « bassiste » nikoizana. Narary mafy, ary notsaboina teo amin’ny iray volana teo ny tenany ary nisy ny hetsika samihafa nataon’ny mpanakanto mba ho fanohanana amin’ny fitsaboana azy, saingy nindaosin’ny fahafatesany, hangina ny gitarany, fa ny kanto navelany kosa hijanona ho lova sy vakoka ho an’ny rehetra. Niavaka tamin’ny talenta nananany i Mikakely, ary isan’ny mpitendry tsy nanam-paharoa sy nikoizana. Nametraka ny dian-tànany tsy hay kosehana teo amin’ny tontolon’ny mozika. Tarika sy mpanakanto maro no niara-niasa taminy tao anatin’izany raha tsy hilaza afatsy ny tarika ‘Zay, Samoela,… Ny alarobia izao no hiala ao amin’ny tranony ao Manandriana Avaradrano ny nofo mangatsiakany, ka hoentina hanomezam-boninahitra ao amin’ny Ekara Md Alexandre Ambatofotsy mialohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Ambatofotsy Avaradrano. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Nisy ny fanambaràna iombonan’ny mpitarika Kristianina izay tontosa tetsy
Ny farihin’i Tritriva izay vakoka malazan’iny faritr’i Vakinankaratra iny noho ny lovan-tsofina mikasika