airtel

kolontsaina

05-juil-2021

kolontsaina

Tontolon’ny sarimihetsika Malagasy Nisy fiantraikany be ny hamehana ara-pahasalamana

Sample post image

Niroborobo ny sarimihetsika Malagasy teto amintsika raha ny hitako tao anatin’izay 12 taona nidirako tao anatiny izay, hoy ny mpilalao,

05-juil-2021


 Heriniaina Fanomezantsoa, fantatra tamin’ny anarana hoe Mino, tao amin’ny tantara mitohy Novegasy, Farakely. Efa betsaka amin’izao fotoana izao, hoy izy, ny teknolojia dia niha tsara ny kalitao. Raha kamera miisa 2 no nampiasaina taloha, ankehitriny efa 4. Nisy fiantraikany be tamin’ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy na izany aza ny fandalovan’ny hamehana ara-pahasalamana. Voafetra ny ora hanaovana fanodinana. Raha tokony ho mandra-paharivan’ny andro dia zary tapak’andro, ohatra. Manentana ny rehetra hatrany, noho izany, hoy hatrany izy, mba hanjifa ny vita Malagasy ho fankaherezana ireo mpisehatra anatin’ity tontolo ity mba hanome ny tsara kokoa hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap