airtel

kolontsaina

11-janv-2021

kolontsaina

Tontolon’ny zavakanto Manjavozavo ny taona 2021

Sample post image

Mpanakanto misehatra amina kanto maro na hoe “artiste pluridisciplinaire” i

11-janv-2021

 

 

 

Hanta Navalona Razafimanantsoa na Haintso Maitso Volo, fantatry ny mpitia kanto amin’ny hoe Sleeping Pop. Isan’ireo sehatra ilomanosany ny rehetra mahakasika ny sary toy ny hosodoko, ny sarimiaina, ny fanehoana na « illustration », ny tantara an-tsary, sary amin’ny tamboho na “street art”. Misehatra eo amin’ny tontolon’ny mozika amin’ny alalan’ny fivelesana amponga maro anaka ary manomboka misehatra anaty tontolon’ny sarimihetsika koa izy ankehitriny. Efa nanao Slam koa, raha ny fanazavany hatrany. Ny taona 2007 izy no nivelona tanteraka tao anatin’ny kanto ary miankina amin’ny fahaizanao mitady tsena ho amin’izany, hoy izy, no mahatonga azy io hahavelona anao sy ny ankohonanao na tsia. Ady be ho anay ny taona 2020 satria niezaka nanao izay tsy hanadinoan’ny olona anay izahay mpanakanto. Nahazo vavabe tamin’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera izahay tamin’ireny hoe tsy tokony hisitraka fanampiana tao anatin’ireny valanaretina ireny. Adinon’ny olona tsy afaka nijery sarimihetsika, nihaino hira, nanao karaoke, namaky boky sy ny sisa ny olona tao anatin’ireny fihibohana ireny raha tsy ny mpanakanto. Mbola manjavozavo ny taona 2021 satria raha manaraka ny vaovao eran-tany dia hiditra amin’ny andiany fahatelo na “3e vague” amin’ity aretina ity izany izao tontolo izao ka sarotra ny hametraka vina aloha raha tsy fantatra tsara ny fivoaran’ny zava-misy. Vahaolana amiko ny tsy maintsy hamoronan’ny sehatry ny kanto zava-baovao satria raha sanatria miverina mikatona io mila manana vovonana vaovao. Mila omena lanja ny kolontsaina sy kanto. Fotoana hananganana indostria ara-kolontsaina izao fa tsy iononana amin’ny kivarobarotra amin’ny sisiny fotsiny. Tokony hitondra zava-dehibe ho an’ny toekarem-pirenena ny kanto tsinona rehefa vonona hanome lanja azy ny fanjakana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap